Tsy natokana hanohanana sezan’olona ny «cadre Sofia», hoy ny CT Eric Randrianasolondrabe, ka raha nisy ny fanambarana natao tany Mahajanga tamin’ny fiafaran’ny herinandro teo nilaza fa ny “cadre Sofia” rehetra dia manohitra ny fanesorana ny minisitra Ruffine Tsiranana amin’ny toerany dia azy ireo manokana izany.
Fanambarana tsy tokony hiseho masoandro izany, hoy ity CT ity, satria ny fivoriana natao tamin’ny zoma teo dia fivoriana savaranonando nanomanana ny fivorian’ny “Cadre Sofia” hotontosaina amin’ny faran’ny volana novambra 2012 izao ka natokana ho an’ny resaka fampandrosoana ny Faritr’i Sofia ny dinika natao tao fa tsy nisy resaka politika sy tsy natao hivoizana fanavakavahana ara-poko satria any Sofia dia mitambatra ao daholo na Tsimihety, na Sakalava …
Tsy marina velively, hoy ny CT Eric Randrianasolondrabe ny filazana fa tsy manana mpitarika mahazaka olona afa tsy ireo nalazalaza teo aloha tany an-toerana i Sofia satria ny PSD tsy mira ho Sofia, Ruffine tsy mira Philibert Tsiranana na dia mitondra ny anarany aza izy. Nahoana no tsy mba noresahina ny fanoloana ny tale Rafindehibe izay zanaky ny Faritra ? hoy ity CT ity. Tsy lany olomanga izany mihitsy i Sofia fa resaka taloha elabe izany fivoizana olona tranainy izany fa efa mipoitra daholo izao ny zanak’i Sofia tsy mena mitaha amin’ny hafa ary tena olomangan’ny Faritra daholo ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.