Politique

Brunelle sy JJ Babenirina Manahirana tanteraka ny Fitondrana


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Manahirana tanteraka ny Fitondrana Rajoelina ireo depiote voafidy tamin’ny lokon’ny IRD roalahy dia ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa voafidy tany Ikongo sy ny Depiote Jean Jacques Rabenirina izay

lany tany Betioky. Tsy olom-boafidy tsotra, fa isan’ireo mpanao politika goavana ao anatin’izao Fanjakana izao, samy filoha lefitry ny andrim-panjakana dia ny antenimieram-pirenena, ka ny iray avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, ary ny iray avy amin’ny faritanin’i Toliara. Tsy mba isan’ireo depiote avy any amin’ny tapany Atsimo tazana teny Iavoloha ny alatsinainy teo, nandritra ny fampanantsoan’ny filoha sy nilazana ireo tetikasa ambara fa hatao any Atsimo, izay nisy ny nahazoana famatsiam-bola. Ankehitriny, tsy hita izay hanaovana azy ireo, ary mandeha ny resaka fa kotrehina mafy hahilika tsy ho Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ka antony nampandeha ilay feo mety hanonganana na hanovana olona ao anatin’ny birao maharitra. Ho sarotra anefa ny hanatanteraka izany satria noho ny heloka goavana sy ambodiomby no ahafahana manaisotra azy ireo. Raha handrava Birao maharitra mila depiote eo amin’ny 101.
TSY LEVON’NY VAVONIN’NY MPITONDRA NY KIANA…
Ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay efa hatry ny ela tany amin’ny fizarana ny Faritra Vatovavy Fitovinany no efa tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana satria nitondra tsikera fa mila manana hivim-pahalalana momba ny haiolona sy haivondron’olona ny Fitondrana fa tsy politika fotsiny. Vao volana vitsy indray no nilaza fa tsy maika ny teleferika raha halahatra ny laharam-pahamehana fa ireo distrika rehetra aloha no mila ampifandraisina. Hatramin’ny Filoha tezitra mafy taminy. Vao tsy ela indray fa ny 29 martsa lasa teo nanao kiana mivaivay momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, nanakiana mafy ny kolikoly ka nilaza fa tamin’ny fitondrana HVM aza tsy nisy tahaka izao,… Nandeha ny hoe: mandika ny fitsipika anatin’ny antoko, hivory ny birao politika ary handray fepetra mikasika ity depiote ity, saingy tsy hita intsony aloha izay tohiny. Ny depiote Jean Jacques Rabenirina indray isan’ireo mpanao politika nametraka ny anarany hatrany tao anatin’ny raharaham-pirenena, efa minisitra tamin’ireo Fanjakana teo aloha. Olon’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo, izay efa nisintaka tao anatin’ny governemanta. Nesorina hatramin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Reepoblika Atoa Valéry Ramonjavelo avy amin’io antoko io. Sarotra ny manaisotra ireo olom-boafidy, ary raha azo nesorina mety efa voahongotra amin’ny toerany. Heverina fa noho ny lonilony eo amin’ny MMM sy ny Volomboasary no isan’ny tsy niantsoana azy teny Iavoloha. Isan’ireo nanotrona sy niara-dalàna tamin’i Siteny Randrianasoloniaiko izay malaza fa mety ho kandida 2023 tamin’ny Lalaon’i Melaky ny aogositra 2021 ny depiote Jean Jaccques Rabenirina. Maro amin’ireo depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD no avy amin’ny MMM. Vao mainka manahirana ny Fitondrana ny sary politika miseho ankehitriny, ary toe-javatra manaporofo ny fahalemeny. Isan’ny antony nahazoan-dRajoelina vato tany Fianarantsoa sy Toliara ihany koa anefa ireo depiote roa ireo.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT