Tsy mahagaga raha miverina heno indray ny resaka manodidina ireo soatoavina sy rafitra nentim-paharazana toy ny fihavanana sy ny fokonolona ankehitriny,
hoy ny depiote voafidy tany Ikongo, Jean Brunelle Razafitsiandraofa, satria 60 taona mahery isika nolazaina fa niverenan’ny fahaleovantena nefa firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany. Mampiheritreritra ny mpanara-baovao rehetra ny toe-javatra toy izany ary mampandinika koa amin’izay fandehan’ny toe-draharaha izay ka antony tsy mahagaga ahy raha miverina izany resaka izany hoe sao dia misy zavatra tokony ho dinihana na hiverenana na halalinina bebe kokoa ao anatin’ireny satria samy resy lahatra ny rehetra fa firenena efa nanana ny naha izy azy sy nahaleo tena I Madagasikara talohan’ny fanjanahantany, hoy izy? Tafalatsaka anaty fahantrana ankehitriny ny ankamaroan’ny mpiray tanindrazana. Na sakafo ho hanina aza izao manahirana ny maro an’isa. Tsy tokony ho hisy anefa izany olana izany raha ny harena sy haben’ny tany azo volena eto amin’ny firenena. Tokony ho dinihina sy heritreretina ary iverenana mihitsy izany. Raha tsy hiresaka koa izao isika ny mikasika ny fitsinjaram-pahefana. Hatreto dia mbola hita ho mifangarika be ny fahefana manana fahafahana mandidy, manapaka, mibaiko, manendry sy ny vahoaka any ifotony. Tsapa koa fa misy fitongilanana be ny fampandrosoana isam-paritra. Tokony mampandinika sy mampiheritreritra izany. Ambonin’izany rehetra izany ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Ny fara-tampony dia tsy tomponandraikitra ary tsy misehatra amin’ny asa fampandrosoana ilay firenena sy ny fiarovana ny tanindrazana iombonana ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny. Lasa mpijery sy mpitazana fa tsy mpisehatra sy tomponandraikitra. Ivelan’izay, eo amin’ny resaka fahamarinana eto amin’ny firenena, mikaikaika ny maro hoe tsy marina ny fitsarana misy amin’izao fotoana izao. Ny disadisam-piarahamonina anefa taloha eny ihany dia voalamina. Izao tsy maintsy miakatra an-tanan-tohatra lavidavitra mankany amin’ny mpitandro filaminana sy fitsarana nefa saika ranomaso foana sy fitarainana no heno amin’ny mpiray tanindrazana maro an’isa rehefa mivoaka eny amin’ny fitsarana. Ho ahy dia tokony hirosoana ny fandinihana ny fanamboarana ity Madagasikara ity ary ny olona afaka ihany no afaka manafaka. Ny olona madio no afaka manadio. Misy rafitra tsy maintsy amboarina ao ary misy lalana tsy maintsy ovana tanteraka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.