Hita ho niezaka namatotra ny filoham-pirenena tamin’ny fampanantenana nataon’ity farany ireo olobe toy ny Ampanjaka sy Anakandriana tao Ikongo rehefa alalinina ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo mikasika ny faniriany tsy hiala amin’I Vatovavy raha toa ka tsy maintsy ho zaraina 2 ihany ny faritr’I Vatovavy Fitovinany.
Tato amin’ity tranobe masina ity no nampanantenanao anay andriamatoa filoha fa omenao anay I Vatovavy rahatrizay ianao tonga eo amin’ny toeranao, hoy ireto olobe ireto. Isan’ny teny hita ho misy kaody mampiheritreritra toy izany koa ny hoe aleo izahay hiaraka amin’I Vatovavy na tsy hahazo fotodrafitrasa aza fa ny fotodrafitrasa ho azonay ihany amin’ny fitondrana manaraka. Manoloana izany moa dia nisafidy ny hanginy ny depiote voafidy tany amin’ity distrika ity, Brunelle Razafitsiandraofa, ary nilaza fa tsy miteny aza aho efa tahaka ny inona ny fanaratsiana mandeha mikasika ny tenako ka maika, hoy izy, fa hiteny eo. Vitaiko, hoy izy, ny adidy amin’ny maha solombavambahoaka ahy, dia ny mitatitra ny hetahetan’ireo raiamandreny sy vahoaka avy any aminay mikasika io raharaha io amin’ny lehibeko mivantana dia ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Manasa tanana amin’izay mety vokatr’izao hitranga aoriana ve izany ity solombavambahoaka ity? Mampiheritreritra!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.