Politique

Brice Randrianasolo “Efa tanteraka talohan’ny naha minisitra ny 60%n’ny praograma”


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Araka ny nahafantatra rehetra ny tantaran’i Brice Randrianasolo, hoy ity minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha ity,

 dia hatramin’ny desambra 2015 izay nahatongavako teto Madagasikara aho no nanomboka nisahatra amin’ny hoe fampianarana ny Malagasy ny harena an-kibon’ny tany isam-paritra mba ho tompony tsy hangataka atiny ny Malagasy. Miatomboka amin’ny fahalalana ny zava-drehetra. Rehefa fantatrao ny harena misy eto aminao dia fifohazana lehibe iray izay. Faharoa, avadika ho praograma nasionaly ilay izy matoa nentina teny anivona minisitera. Matoa aho napetraky ny filoham-pirenena ho minisitra dia resy lahatra tamin’ilay praograma ny filoham-pirenena. Noho ny zava-nisy no nahatonga ny tenako tsy maintsy nametra-pialana. Tsy tanjona ny ho minisitra fa fitaovana iray ahafahana manatanteraka ilay praograma nefa rehefa voakorontan’ny olom-bitsy, indrisy, fandoto iray tandroka no maha voakorontana rafitra lehibe eto Madagasikara. Samy resy lahatra daholo avy eo ary mampalahelo rehefa nametra-pialana ny tenako dia nalahelo daholo ny Malagasy rehetra hoe tena tsara ilay praogramanao. Miazakazaka daholo. Samy nangina anefa tamin’ilay fotoana fanasoketana ary mety nandray anjara tamin’izany mihitsy aza. Mitoetra, hoy aho, ny praograman’asa ary na iza liana dia misokatra foana aho amin’ny fanazavana sy fanomezan-tanana. Ohatra iray hitanareo iny ny antoko politika Otrikafo. Efa nanomboka ny desambra 2015 ny fampianarana ny Malagasy, izany hoe 60%n’ny fanatanterahana ilay praograma no efa vita talohan’ny naha minisitra. Mitohy io. Ny fahafahana mampihatra azy amin’ny fomba vetivety na ela, izay 40%n’ny asa sisa ambiny no lasa sarotra, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT