Tao Toamasina ny praminisitra lefitra Botozaza Pierrot ny faran’ny herinandro teo. Sady nijery akaiky ny fanatsarana sy fanitarana ny seranantsambo izy no nifanakalo hevitra tamin’ireo nasainy manokana tao anatin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao.
“Efa fanaoko isan-taona ny fihaonana tahaka izao aminareo namako sy havako ary mpiara-miasa amiko. Ilaina ny fifanakalozana tahaka izao satria izay ihany no hahazoantsika hevitra entina mampandroso ny firenena sy entintsika hanatsarana ihany koa ity tanàna tiantsika ity”, hoy i Botozaza Pierrot. Nomarihany fa tao anatin’ny taona maro izay dia tena adino sy lasa zanak’ikalahafa i Toamasina satria tsy napetraka tamin’ny maha kapitaly ekonomika azy. Raha ny fampandrosoana eto Madagasikara anefa ka tsy miainga ao Toamasina dia ho sarotra ihany, satria miantoka ny ampaham-bola betsaka indrindra iainan’ny firenena i Toamasina. Ankoatra izay, tsy nanadino ny asa fanaovan-gazety koa i Botozaza Pierrot, izay nilazany fa “hapetraka eto Toamasina ny ivontoerana manokana izay hahafahan’ny mpanao gazety rehetra manitatra fahalalana sy manafaingana ny fanapariahana ny vaovao misy ho fantatry ny Malagasy sy izao tontolo izao». «Tsy adino koa ny fanofanana hahatongavan’ilay mpanao gazety ho matihanina tadiavin’ny mpijery, mpihaino ary ny mpamaky anareo”, hoy hatrany ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot nanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanao gazety ao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.