Politique

Bongolava Mihalalina ny fifandiran’ny samy TGV-Mapar


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Tsiroanomandidy Faritr’i Bongolava ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa sabotsy 09 Jolay 2022, amin’ny maha mpisolotena ny vondrom-bahoakam-paritra

itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona. Nisy ny fihaonany tamin’ireo vahoakan’i Tsiroamandidy sy Fenoarivobe nandritra ny hetsika fanehoana ny firaisankinan'ny vahoaka sy ny olom-boafidy ary ny olom-boatendry tany an-toerana ; hetsika izay nokarakarain’ny Lehiben’ny Faritr’i Bongolava, ny Jeneraly Joseph Ramiaramanana, tao amin’ny Kianja Bira Tsiaroanomandidy ary nahitana ny fandraisan'anjaran'ireo fikambanana maro; toy ny fikambanan’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna any amin’ny Faritra, ny fikambanan’ny Foko 18, ny fikambanam-behivavy, ny fikambanan'ireo mpiompy,… Nirarakopana ny kabary fandokafana ny governora ho akainy ny filoham-pirenena, ary eo ihany koa ny hoe: famondronan-kery ho fanohanana hatrany ny Filoha. Nandritra io no nilazan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa ny lalàna mahakasika ny "procédure pénale" izay vao avy nolaniana teto anivon'ny Antenimierandoholona dia natao hiaro ireo Ben'ny Tanàna amin'ireo mety ho sakatsakana amin'ny fanatanterahana ny asany. Arak'izany dia dingana maromaro no tokony lalovan'ireo Ben'ny Tanàna, vao tokony hisy ny firosoana amin'ny fitoriana azy ireo, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Karazana pi-maso politika mialohan’ny fifidianana 2023 moa no handraisan’ny mpanara-baovao ara-politika ity lalàna nampidy hevitra ity. Ankoatra ny Filohan’ny Antenimierandoholona, isan’ny tany an-toerana ny anabavin’ny Filoham-pirenena, izay isan’ireo delegasiona nanampy azy, Atoa Augustin Andriamananoro, Atoa Norbert Ratsirahonana,… Tsy isan’ny tazana kosa ny depiote Haja Ramaherijaona, lany tamin’ny lokon’ny IRD. Ity farany izay voalaza fa ratsy fifandraisana amin’ny Governoran’i Bongolava, ary toa isan’ny nanaovana kabary fanenjehana sy fanapepoana ankolaka hatramin’izay ka hatramin’izao, eny fa na tamin’ny hetsika nataon’ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay niarahany tamin’ny governora aza. Etsy ankilany, “ny Sekretera Nasionalin’ny TGV Hery Rasoamaromaka sy ny Solombavambahoaka Rossy raha tonga nanotrona ny Depiote Haja Ramaherijaona nandritra ny hetsika nokarakarain’ny TGV ny 10 jona teo dia nihantsy ihany koa ny Governora Bongolova sy ireo mpiara-miasa aminy ary nitaky ny hanesorana ny Jeneraly Ramiaramanana, hoy ny pejim-baovaon’ny mpanao gazety iray omaly. Tantara mitohy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT