Politique

Bokan-trosa ny Fanjakana Mangotraka ny grevin’ny oniversite, mpandanja fiara,…


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Miha mangotraka ny grevy etsy sy eroa, indrindra taorian’ny vava nataon’ny Praiminisitra ny alakamisy 14 septambra, fa tsy terena handoa vola amin’ny alalan’ny grevy ny Fanjakana,

 ary mila miandry fandaminana. Fa fandaminana inona loatra no tsy vita ao anatin’ny 2 volana, 8 volana, herintaona,…? Omaly, nanamafy ny fidinana an-dalambe ny Mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Financier) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, ary nanampy tosika azy ireo ny mpianatry ny anjerimanontolo, mitaky ny fandoavana ny karamany roa volana. Nangotraka ny fanakanan-dàlana, fandorana kodiarana sy fandrehetana afo, ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, raikitra indray ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso. mbola nanamafy izy ireo, fa tsy hijanona ny fitakiana raha tsy voavaha ny olana. Tao anatin’ny 60 taona tsy nisy an’izany karama tsy voaloa izany, tena famonoana ny mpandraharahan’ny oniversite. Tsy hanaiky hatramin’ny farany na ho vy na ho vato,... hoy iteo PAT. Niverina nanamafy ny fitokonany faobe nanomboka omaly ihany koa ireo mpandanja fiara eny amin’ny làlam-pirenena, izay efa 8 volana tsy nandray karama. 8 volana izahay tsy mahazo karama, kanefa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara Ar ny vola nampidirinay, hoy ireo mpiasa amin’ny toeram-pandanjana fiara. Nanambara ny hanao fitokonana ihany koa ny SEMPIDOU (Sendikan’ny Mpiasan’ny Douanes) manomboka rahampitso 21 septambra maraina, ary haharitra telo andro. Fiandrasan-draharaha ihany no hisy ka tsy hikirakira afatsy ireo entana mora simba, fanafody, fitaovana ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana, entana ara-diplaomatika, biby velona, ary razana. Efa nisy kosa ny taratasy navoakan’ny manam-pahefana amin’ny alalan’ny Prefektiora nilaza fa tsy azo atao ny fitokonanan’izy ireo. Ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny asa vaventy 230 eo, izay nanao ny làlana, dia mitaraina fa efa herintaona mahery no tsy azony ny volany manodidina ny 33 miliara Ar ny sandan’ny hatsembohan’izy ireo tsy voaray. Ny mpiasan’ny Orinasa Kraoma tsy tena mbola migrevy, saingy mitaky izay ny hamelana ny fanondranana ny vokatra, ny orinasa Jirama izay manana olana amin’ny orinasa mpamatsy solika, ny Fanjakana manana olana amin’ny kaompanian-tsolika ary voalaza fa hatrany amin’ny 43 miliara Ar ny trosan’ireo amintsika amin’ny fitazonana ny vidin-tsolika,… Tototry ny trosa sy ny fitakiana !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT