Politique

Birao vaovaon’ny CENI Ny olona tendren’ny Filoha sy ny fitsarana tampony sisa andrasana


  • Talata 02 Novambra 2021

Noraisina ny sabotsy 30 oktobra 2021 teo ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1200 izay nanamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao ao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana na CENI,

 hiasa mandritra ny 6 taona tsy azo havaozina. Nohamafisina fa voafidin'ny Antenimierandoholona: Atoa Razafimamonjy Laza Rabary; Atoa Houssene Abdallah avy amin’ny Antenimieram-pirenena; Voafidin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalâm-panorenana: Atoa Fidimiafy Roger Mare; Voafidin'ny holafitry ny Mpisolovava Atoa Jeannot Guy Georges Razafindraibe; Voafidin'ny holafitry ny Mpanao Gazety Atoa Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka; Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin'ny fanaraha-maso ny fifidianana Atoa Ravalitera Jacques Michaël sy Atoa Andriamalazaray Andoniaina. Marihina fa araka ny lalàna dia miisa sivy (9) ny mpikambana ao amin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana na CENI, ka ny mpiakambana anankiray izay tendren'ny Filoham-pirenena sy ny anankiray izay fidian'ny Fitsarana Tampony dia ho fantatra afaka andro vitsivitsy, hoy ny fanambarana. Marihina fa misy lonilony ny nahalanian’ny mpikambana sasany. Ny an’ny Firaisamonim-pirenena, dia mbola misy fitoriana any amin’ny Filankevi-panjakana nataon’ireo firaisamonim-pirenena am-polony nilaza fa nahilika. Ny an’ny mpanao gazety olona roa no voafidy satria ny Holafitra teo aloha no nandefasan’ny CENI taratasy hanendry ny anaran’ny solontena ao amin’io rafi-panjakana io. Talohan’ny fifamindram-pahefana ofisialy ny 26 oktobra no nanendry izay ho solontena ny OJM teo aloha, raha toa ka ny 28 oktobra vao nifidy olona hafa indray ny OJM vaovao. Ara-politika, manomboka mandeha ny kiana, toy ny nataon’I Baba Rakotoarisoa Filohan’ny APM (Antoko Politika Madio) fa efa hanjakan’ny loko volomboasary ny CENI, ny fanambaran’I Marc Ravalomanana fa tsy mahaleo tena io fa tokony hisy fikaonan-doha nasionaly,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT