Notontosaina omaly ny fametraha na ara-pomba ofisialy an` ireo ben` ny tanàna ao amin` ny distrikan`i Betroka.
Tonga nanotrona izany ny minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin'i Toliara, Tinoka Roberto. Nangetaheta fiovana isika hoy ny Minisitra ka tsy ho nofy intsony izany ka porofo mivaingana ny fahatongavan'ny solotenan'ny fitondrana manao an'izao hetsika izao. Tsy ho lazaina intsony ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13, hoy ihany izy. Nohamafisin'ny Minisitra moa fa samy hahazo anjara fampandroasana avy ny Kaominana rehetra ary ny fitantanana madio sy mangaraharaha no takiana amin'izany. Miazakazaka mihitsy ny fitondram-panjakana mametraka ireo ben` ny tanàna sy ireo mpanolotsainan` ny tanàna satria ireto farany no ho mpifidy mandritra ny fifidianana loholona amin` ny 11 desambra izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.