Politique

Bernard Tapie, nenjehin’ny eritreriny Voatery nitafa tamin’ny mpanao gazety


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


«Be loatra ny fanontaniana azoko mikasika ireo feo marobe mivoaka an-gazety mikasika ny tenako ka mba tsy hamaliana hatrany olona etsy sy eroa dia nanapa-kevitra aho ny hitafa aminareo mpanao gazety mialoha ny handehanako hiverina any Frantsa anio (omaly) alina», hoy i Bernard Tapie, mpanao politika, mpandraharaha sy mpitantana fanatanjahantena ary mpanao asa soa frantsay ihany koa, tetsy Antaninarenina omaly alarobia 19 janoary takariva. Ny seraseran’ny fiadidiana ny Prezidansa no tompon’antoka tamin’ity tafa ho an’ny mpanao gazety ity. Zavatra tokana ihany no nolazain’i Bernard Tapie fa nivahinianany telo andro teto Madagasikara dia ny hametrapetraka ny fanatanterahana ny tetikasa fananganana ivontoerana fampiofanana arak’asa ho an’ny tanora mikasika ny fandraharahana ara-barotra na «Ecole de Commerce» tahaka ireo enina efa natsangany any Frantsa efa nahofana tanora 9900 ka natao hanalana fahasahiranana ireo tanora tsy an’asa.

Avy amin’ny tolo-kevitry ny zanany, Laurent Tapie (tonga tao Antaninarenina koa), no nahatonga ny safidy teto Madagasikara ka amin’ny lohataona na fanombohan’ny taom-pianarana ho avy izao (septambra-oktobra) no hitokanana io ivontoerana io. Enim-bolana no haharetan’ny fianarana ao ary ho kilasimandry ireo mpiofana amin’izany. «Tsy nisy resaka hafa natao afa tsy izay taty», hoy izy, «dia ny fifanarahana tamin’ny filohan’ny federasion’ny baolina kitra malagasy koa ny hivahinianan’ny ekipa fahiny tao amin’ny Olympique de Marseille hikatroka amin’ny Barea de Madagascar amin’io fitokanana ny trano io». Nokobokobonin’ny marina ho azy anefa ny lehilahy ka nahateny tsinahy fa nisy resaka fiaramanidina noresahiny tamin-dRajoelina ihany izay nahagaga azy ny momba an’io (Force One II) saingy tsy nisy zavatra nifanarahana tamin’izany, izy rahateo manana fiaramanidina azy manokana araka ny filazany. Namelaran’ny fitondrana tetezamita «tapi rouge» Atoa Bernard Tapie ka namelatra «tapi rouge» am-bava ho an’ny Filohan’ny FAT koa ho setrin’izany tamin’ny filazana fa tena tanora mazava saina sy manana fahamatorana ary mahatsinjo lavitra ity eto Madagasikara ity.

Mazava ho azy fa tsy naheno afa tsy lakolosy tokana amin’ireny resaka tsara lahatra faheno amin’ny haino aman-jerim-panjakana nandritra ny roa taona ireny Ingahy Tapie ka tsy mahagaga. Manam-panantenana ho an’ny hoavy mamiratry ny toe-draharaha eto Madagasikara kosa i Bernard Tapie avy amin’ny fifaneraserany tao amin’ny Hotely niarahany nonina tamin’ny Dr Simao ka nilazany fa efa manaiky ny hiroso amin’ny fifanarahan’ireo mpifanandrina ara-politika ny eto Madagasikara raha ny filazan’io vahiny iray io. Marihina fa saika nahazoam-baliny avy amin’i Bernard Tapie avokoa ireo resaka manalasala nivoaka an-gazety sy Internet mikasika azy toy ny resaka figadrana noho ny raharaha septambra 1992, ny raharaha «Urbania» ka hatramin’izany resaka «Château de Bokassa» izany. Azo antoka fa tsy tafandry mandry tany ambony fiaramanidina tany Rangahy ity raha tsy nahalaza izany rehetra izany tamin’ny mpanao gazety malagasy.

Manohy  
 
Sary : Atoa Bernard sy Laurent Tapie zanany tetsy Antaninarenina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT