Manomboka mifoha amin’izao fotoana izao ny fitakiana ny famoahana ireo olona nogadrain’ny Fitondrana tamin’ny raharaha politika.
Efa nisy ny fanambarana maromaro nataon’ny tanora RMDM amin’ny hamoahana an’I Berija Ravelomanantsoa, izay notondroin’ny Fitondrana ankehitriny ho manohintohina ny filaminana anatiny. Fanehoan-kevitra tany amin’ny tambajotran-tserasera no antony nisamborana sy nanamelohana azy higadra 44 volana, araka ny didy nivoaka tamin’ny volana septambra 2020, herintaona lasa izay. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny an’ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Harry Laurent Rahajason, izay nohelohina 44 volana an-tranomaizina ihany koa ny oktobra 2020 satria notondroina ho tao ambadiky ny hetsika nitakiana ny famoahana an’I Berija teny Ambohipo ny jolay 2020. Na efa nisintona ny fandetehana an’I Rolly Mercia aza ilay lehilahy nanondro azy, dia tsy namelan’ny Fanjakana fa mihiboka any am-ponja hatramin’izao. Voatondro ho manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena ihany koa ity minisitra teo aloha ity. Miharihary ny fifamaliana faty na “règlement des comptes” ara-politika. Manomboka miha mafana anefa ny fampitahana eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny. Olona maneho hevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy misy basy mipoaka, tsy misy Fanjakana miongana, tsy misy rà mandriaka,… saingy any am-ponja no hiafarana. Ao anatin’izao Fanjakana izao anefa, misy olona voarohirohy tamina kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana, misy raharaha kiantranoantrano tamina tsenam-panjakana, eny vao andro vitsy aza izay ilay resabe mombana vadina minisitra voarohirohy ho nitifitra olona sy nitazona basy tsy ara-dalàna saingy afaka miriaria manerana an’i Madagasikara. Miha ratsy laza ho « Fanjakan’ny Mafia » ny Fitondrana Rajoelina. Mailaka mitady izay fomba handetehana ny tsy mitovy endrika, fa minia mikipy eo anatrehan’ny olony efa tsy tan-dalàna intsony, mampiharihary ny fanjakan-jiolahy,… Vanja milevina ho an’ny Fitondrana Rajoelina io toe-javatra io, tia mamotika ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny zavatra heverina fa mety ho maivana kanefa jamba sy minia mikipy eo anatrehan’ny olom-panjakana voasaringotra ao anaty afera goavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.