Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba an’i Berija Ravelomanantsoa. Voaheloka higadra 44 volana, sazy mihatra, izy, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Soluma izay tarihiny, Riana Rakotomanantsoa.
Afaka madiodio kosa ireo olona miisa 4 voatazona niaraka taminy dia ny reniny, ny zandriny, ny vadiny, ary vehivavy iray. Resaka fanohitohinana fiandrianam-panjakana, fanalam-baraka imasom-bahoaka, fihantsiana hankahala, izany hoe, heloka an-tambazotran-tserasera no fototry ny fanamelohana, hoy hatrany ny fanazavana. Mbola hampiakatra ny raharaha moa ny mpisolovava ary tsy faly nanoloana ny didy nivoaka koa ny fikambanana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Tetsy ankilany dia naneho ny alahelony ny renin’i Berija ary nilaza fa ny fiarovana ny filoham-pirenena ankehitriny ihany no efa nahatonga ny zanany teny Tsiafahy kanefa dia izao no navalin’ny filoham-pirenena azy, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.