Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.
Tsy fantatray ny antony saingy manahy izahay fa misy resaka tsy fitovizana ara-politika io. Naheno izahay fa nodarohina izy ka raha tena izany tokoa no marina dia tsy azo ekena tanteraka. Miangavy aho, hoy ny renin’i Berija, Elia Razafindrazafy, mba tsy hanaovana izany satria tany tan-dalana eto. Raha nisy ny nanakiana mafy ny fitondrana teo alohany dia ity fitondrana ity. Tsy i Berija irery no manankiana ny fitondrana, hoy hatrany izy. Omaly nanomboka tamin’ny 7 ora maraina moa no niandry teny Fiadanana, toerana izay nitazomana an’i Berija, ny solontenan’ny Soluma sy ity reniny ity, saingy raha ny fampitam-baovao farany dia ny nanati-bary ihany no azon’izy ireo natao fa tsy afa-nifanatri-tava akory. Manahy ambadika politika, noho izany, ireto tonga teny Fiadanana ireto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.