Politique

Ben’ny tanànan’Ivato Asa avy hatrany no nisantarana ny taona vaovao


  • Talata 18 Janoary 2022

Vao manomboka ny taona 2022 dia efa asa ny an’ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa. Nosantariny tamin’ny asa fanamboaran-dalana izany omaly.

 Hovitain'ity ben'ny tanàna ity avokoa ny lalana eny amin'ny K2 sy K5 izay mirefy1km . Raha araka ny fantatra mantsy dia tena nampijaly fatratra ireo vahoaka eny an-toerana indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao ireo lalana ireo. Hitohy eny Antsimbilo, Ankadindravola ary Mandrosoa ny asa fanamboaran-dalana ary kasaina ho vita amin’ity taona ity avokoa ireo ambiny sisa ratsy rehetra raha araka ny fantatra hatrany. Volan’ny kaominina madiodio avokoa moa no hanaovana ny asa tsy nisy fanampiana avy any ivelany. Miantso ireo mponin’Ivato mba hazoto handoa hetra hatrany araka izany ity ben’ny tanàna ity amin’izay mba misy tamberim-bidy afaka miverina any amin’izy ireo izany.
Pati

Legende : Nandray fitaovana mihitsy ny Ben’ny tanàna teto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT