Politique

Ben’ny tanànan’i Mahajanga I Mokhtar Tsy mampihatra didim-pitsarana fa akaiky ny Filoha ?


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Nisy fandroahana mpiasa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’I Mahajanga nataon’ny Ben’ny tanàna Atoa Mokktar Salim Andriatomanga.

 

 

Nahatsiaro ireo lasibatra miisa 20 eo fa misy zavatra tsy rariny, ka nampiakatra ny raharaha teny amin’ny Filankevi-panjakana eo anivon’ny Fitsarana tampony teto Antananarivo, ary nahazo rariny sy honerana 40 tapitrisa ariary. Efa misy fampahafantarana nataon’ny vadin-tany mahakasika an’io, saingy tsy mety manatanteraka ity ben’ny tanàna MAPAR ity, raha ny fampitam-baovao. Nandefa taratasy “ST N°557” indray ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga ny 8 mey miantefa amin’ny Commusariat Central ao Mahajanga hampanao fanadihadiana ity ben’ny tanàna ity noho ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana, saingy in-telo nantsoina izy tsy nipoitra, hoy ireo lasibatra. Toa miantehitra fa harovan’ny filoha sy akaiky azy ? Tokony hosamborina ny ben’ny tanàna raha ny hevitr’izy ireo, izay hanairany ny eo anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny hanome baiko satria ny lasibatra efa tamin’ny 1 jona no nohadihadiana. Miantso ny fitsarana mba hamindra ny raharaha ho eny amin’ny zandarimaria ihany koa izy ireo rehefa tsy sahy misambotra ity Ben’ny tanàna ity ny polisim-pirenena. Mitaky ny fampandehanana ity raharaha ity mialoha ny fifidianana ben’ny tanàna izay efa ny volana oktobra ny lasibatra, ary mampahatsiahy fa tsy misy ambonin’ny lalàna eto. Fanoherana didim-pitsarana no hanasokajian’izy ireo izao, koa miantso ny minisiteran’ny Fitsarana handray andraikitra ireo mpiasa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT