Politique

Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka Mampandroso kokoa ny asa ny fanana ilay « immunité »


  • Talata 05 Jolay 2022

Vaovao mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatrany hatreto ny mikasika ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny

Fitondram-panjakana ary nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena momba ny immunite omena ny Ben’ny tanana manerana ny Nosy. Naneho ny hevitra mikasika izany Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’Antehiroka omaly ka nambarany nandritra izany fa ny mba hahafahan’ny Ben’ny tanana toa azy manohy ny asa fampandrosoana ao anatin’ny faritra iadidiany no tanjona ao anatin’izany. Betsaka mantsy hoy izy ireo Ben’ny tanana voasaringotra amina raharaham-pitsarana eto amintsika ka migadra. Asam-bahoaka anefa no tanterahin’ny Ben’ny tanàna hoy hatrany Atoa Lalaina Vatosoa noho izany ara-dalàna raha mba arovana sy tohanana izy ireny saingy tsy natao ho an’ireo tsy maty manota kosa. Raha sanatria ka misy Ben’ny tanana iray hoy izy nangalatr’omby na koa tratra nanondrana harem-pirenena an-tsokosoko dia mendrika ny hohenjehina ara-pitsarana izy ireny. Natao hanampiana ireo Ben’ny tanana miasa ny immunite araka izany hoy izy fa tsy sanatria hanosika azy ireny hanao ny tsy mety.
Pati
Legende : Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT