Na ny birao hiasan’ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka manerana ireo kaominina 11 isa ao Ifanadiana aza tsy misy raha araka ny loharanom-baovao azo.
Mitondra anarana fotsiny araka izany ireo Ben’ny tanana raha mbola mijanona ho nofy tanteraka ny fampiasana ny solosaina. Efa 60 taona tsy nisy asa fanamboarana na fananganana foto-drafitrasa mantsy ny tany an-toerana hany ka lasa miolonolona hatramin’ny mponina. Kamo izy ireo ny hanatona ny tobim-pitsaboana na dia misy aza satria efa antitra na tsy zarizary. Lasa manao dokotera tenany araka izany ny ankamaroan’ny mponina ka anisan’ireny ireo vehivavy tokony hanatona tobim-pitsaboana rehetra hiteraka. Mbola tany lavitra andriana hatreto ny distrikan’Ifanadiana koa andrasana izay mety ho fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.