Ben’ny tanŕnan’Antananarivo

> Roa no efa nilaza ampahibemaso fa ho kandidŕ


  • Talata 28 Janoary 2014

Roa sahady ankehitriny ny mpanao politika nilaza ampahibemaso fa hirotsaka ho kandidŕ Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo.

Ny voalohany nilaza izany, teny amin’ny Magro Behoririka, dia ny Rév. Andrianalijhon Ndriamanampy Satrobory filoha mpanorina ny antoko AMF/3FM mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izay nitsangana ho raiamandreny mpampihavana hatramin’izay ary efa neken’ny mpitolon’i Magro hatreny Ankorondrano fa Ben’ny tanàna «légitime». Havadika ho tena izy ny nofinofy, hoy izy, fa tena mila raiamandreny mpandamina tsy hoviravirain’ny olona ity renivohitra mamintsika ity. Ny faharoa dia Atoa James Ratsima, mpitarika ny «Front Patriotique», namatrapatratra ny tsy fanekeny ny fanjakazakan’ny vahiny eto amin’ny tanin’ny Malagasy sy ny tsy finoany ny hitondran’izao fitondrana mijoro izao fanovana ho an’i Madagasikara satria dia samy olon’ny Frantsay avokoa ireo tafapetraka rehetra ireo ary nifanaraka tamin’ny vahiny. Tao amin’ny Aceem Radio ny alahady tolakandro teo no nanambarany ny fahavononany hitantana ity tanànan’Iarivo ity. Ho fanarenako ny tsy nirotsahako ho filoham-pirenena koa izany, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT