“Vonona hitondra rivotra politika vaovao hampandroso ny firenena ny tenako na dia eo aza ireo mpanao pôlitika maloto miezaka ny hamingampingana” hoy Bekamisy Théodore Carin, filohan` ny antoko politika FTPM na fikambanan’ny tanora mpitolona Malagasy.
Hanjakan’ny fitiavan-tena ny fanaovana politika amin’izao, kanefa tsy manaiky hihemotra velively amin’ny zavatra efa natombony ny lehilahy, na dia efa nitondrany ny mangidy hatrany am-pigadrana aza ny sotasotan’ireo mpanao pôlitika sasany. Amin’ny maha filohan’antoko dia tsy maintsy miteny satria natao hampianatra ny vahoaka hanao izay tokony hatao ny mpanao politika. Raha tsiahivina, ny FTPM dia anisan` ireo antoko nanasonia ny tondrozotra ny taona 2011 teny amin`ny CCI Ivato. Miompana amin` ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy fanohanana ireo tanora vonona hitondra fanovana eto amin’ny firenena moa ny vina entiny ho laharam-pahamehana ao anatin’izany. “Amin’ny mahatanora victime ahy nanomboka ny taona 2002 kosa dia tiako loatra ny miaro ny tanora tahaka ahy. Simba ny tanora malagasy noho ny fanaovana politika” hoy hatrany izy. Isan’ny namporisika ny filohan’ny antoko hijoro hatrany ny fahitany ny fifanenjehana mbola miseho eo amin’ireo mpanao pôlitika mitady ny tombontsoany manokana, manao tohatra fiakarana ny namany. “Tonga hatrany amin’ny fihainoana ny telefaonina ampiasaiko mihitsy ireo mpanenjika amin’izao, ka asa na ara-dalàna izany na tsia. Na dia efa fantatra aza ny ao ambadik’izany, dia mahitsy hatrany ny làlana, satria amiko, dia tsy ao anatin’ny fifanenjehana no ahafahana mampandroso ny firenena, fa ny fifanomezan-tànana ao anaty fanaovana politika madio sy mangarahara hampandraisana andraikitra an’ireo tanora vonona amin’izany”, hoy izy.
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.