Politique

Be loatra ny adalana Fanjakana efa tsy to-teny intsony


  • Alarobia 18 Mey 2022

Isan’ny Fanjakana ratsy endrika indrindra tamin’ireo nifanesy nitondra an’i Madagasikara ity Fanjakana Rajoelina ity. Malaza ratsy niainga tany amin’ny tetezamita, nosokajian’ny vahiny ho tsy misy kalitao, ka tsy voaarina sy toa mbola mitohy hatramin’izao izany.

Mihen-danja ny hasin’izany Fanjakana sy fahefam-panjakana izany satria tsy atokisan’ny olona firy intsony ny Mpitondra noho ny ataony ihany, fa tsy ny olona no sanatria no te hibirioka fahatany. Endrika iray maneho izany ny resaka fitsaram-bahoaka mitady hahazo vahana io ndray. Tany Toliara ilay hoe lehilahy notondroina fa nangalatra maso, voasambotry ny mpitandro filaminana tsara izao fa tonga dia norombasan'ny vahoaka, nodarohany dia nodorany. Efa tena zava-doza endriky ny maha tsy to teny ny Fanjakana ireny ka na fantatry ny olona aza tsy mety toa iniany hatao kanefa fandikan-dalàna. Ny resaka fisaraham-pahefana ihany koa eto tena olana be satria matetika tsabahan’ny mpanao politika, toy ny olom-boafidy mibaiko mivantana na ankolaka minisitra, mihantsy ady amin’ny mpitsara rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny eritreriny,… Mbola tsy nisy teto ihany koa izany hoe: Filohana andrim-panjakana mahazo taratasy avy amin’ny sendikan’ny mpitsara mba hanara-dalàna,… Ankoatr'izay ireo fitantanana sadasada sy tsy fahaiza-mandamina. Ny mahazo ny oniversite fotsiny ohatra, ny volan'ny mpanao làlana, ny ahiahina kolikoly avo lenta,... Fady amin’ny Fanjakana no hitsotra, toy ny hoe: isan’ny lesoka ny nanovana amboletra ny FER (Fonds d’Entretien Routier) ho FR (Fonds Routier) izay efa nahazoana fampitandremana tamin’ny mpamatsy vola satria ao anatin’ny tetikasa sy fifanarahana mbola mandeha, saingy niniana natao ihany, dia izao no vokany. Maro ireo raharaha goavana hiniana ampatoriana, toy ny famoaham-bola tsy mazava tao amin'ny CNaPS. Ny Jirama tsy hita hoe hanao ahoana kanefa no nolazaina ny volana febroary fa afaka iray volana dia ho foana ny delestazy, izao indray hoe hiakatra ny vidin-tsolika. Ny tsy fandriampahalemana tena zava-doza. Misy kaominina efa mampihatra “couvre feu” tsy mandeha lavitra fa etsy Antananarivo Atsimondrana aza misy an’izany satria tsy voafehin’ny Fanjakana intsony. Be loatra ilay resaka sy fampanantenana kanefa 3 taona izao no vita, izay ve vao apetraka ny laharam-pahamehan'ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) sy ny hoe manome tolotra tsara ho an'ireo mazoto handray anjara amin'ny fanorenana ny Tanamasoandro.

TIA MANDAINGA SY MIVADIBADI-DELA
Ity no Fanjakana tsy menatra ny mandainga sy mampanantena poakaty indrindra, hany ka mihen-danja ny fahatokisana sy ny fankatoavan’ny vahoaka ny fahefam-panjakana noho ny lainga sy fitaka. Hafa no lazaina any amin’ny propagandy, ary zavatra hafa no atao. Lazaina fa ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona hovitaina ao anatin’ny 5 taona, avy eo indray miteny fa tsy vita 2 na 3 taona ny fampandrosoana, mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra raha tiana handroso ny firenena. Lazaina tsy mila famatsiam-bola sy fitrosana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 kanefa aiza izany ankehitriny? Etsy andaniny, miseho avokoa izao kisampotsampona toa zary mampihomehy. Filoham-pirenena izay andrim-panjakana iray farantampony izao, ohatra, kanefa misy maka tahaka any anaty fandaharana fahitalavitra tsy miankina, saingy izy tenany mihitsy no manome vahana izany ho fampalazana tena ara-politika sy hanangonana vahoaka,… Endrika mamono hasina ilay Filoha ireny, saingy tsy dia olana loatra aminy. Tena mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT