Reharehantsika Malagasy ny Barean’i Madagasikara, izay tena namiratra ao anatin’ny CAN 2019 amin’izao fotoana izao. Tsara ary mendri-piderana ny fanohanana ataon’ny sokajin’olona rehetra na mpanao politika na olom-pirenena.
Anisan’ny nanampy ara-bola ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ilay 700 000 000Ar, izay volam-bahoaka. Mendri-piderana izany saingy tsikaritra ihany ny fivoizana resaka politika ataon’ny filoham-pirenena tamin’ilay filazana taorian’ny lalaon’i Barea sy Guinée fa nivavaka izy hoe: aza atao menatra ny Malagasy, ka 6 minitra monja taorian’ny fidirana faharoa dia nahafaty baolina ny N°13, izay nitarihan’ny mpifanandrina azy 1-0. Misy dikany daholo izany ary io N°13 io dia tsy laharana fahatany fa na hatrany amin’ny baiboly aza io dia miteny hoe: “fa ny fitiavana no lehibe indrindra”, hoy i Andry Rajoelina. Mbola nitohy io tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’i Nizeria niresahana fa teo amin’ny faha-13 minitra no nahafaty ny baolina voalohany ny Barea. Mety afaka milalao ilay laharana faha-12 na koa ny anarana Marco ao amin’ny ekipam-pirenena ny mpanao politika hafa raha voizina amin’io, saingy tsy manao izany fa manohana tahaka ny Malagasy rehetra. Mampiombona antsika Malagasy rehetra io, ka tsy tokony holotoina amin’ny loko politika sy tadiaviana hatao fitaovana politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.