Politika tokana no entina eto anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra, hoy ny minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina,
dia izay voarakitra anaty velirano faha 10 an’ny filoham-pirenena dia ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, nandritry ny fandraisana ny minisitra lefitra vaovao hisahana ny fandrakofana ala tetsy Ambatobe omaly. Ny singa manokana amin’ny fandrakofana ala kosa no omena ho sahanin’ny minisitra lefitra, hoy izy. Minisitera tokana ny MEDD. Fanamby lehibe mikasika ny fandrakofana ala, noho izany, izao dia ny hoe handeha lavidavitra noho izay efa vita ny minisitera ary tena hipaka any amin’ny faritra sy distrika rehetra, indrindra, hidina any amin’ny kaominina sy ny fokontany ny fanarenana ny alantsika. Efa tazantsika moa ny ezaka nisy sy natomboka. Fantatsika ihany koa isan’ny minisitera nisongadina ny minisiteran’ny tontolo iainana amin’izay fidinana ifotony izay. Ny fanirianay ary iriako iaraha-mitondra ny hoe ho tonga any amin’ny distrika rehetra mihitsy ary hidina hatrany amin’ny kaominina manerana an’I Madagasikara ilay politikam-pambolen-kazo matihanina manakaiky ny ifotony ary mba ho tsapan’ny Malagasy tsirairay avy fa ny zavatra ataontsika rehetra dia maintsy hanatanterahana ilay fanarenana anaty fotoana fohy, hoy hatrany ny tenany
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.