Politique

Baolai no manorin-trano Ny Ministra no manenjika PDS


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny vaovao navoakan’ny La Gazette de la Grande Ile izay nilaza fa nitory ny PDS-n’Antananarivo noho ny resaka kolikoly tamin’ny fanomezana alalana fanorenan-trano etsy Soarano ho an’ny tompon’ny orinasa Baolai ny ministry ny fanajariana ny tany.

Nitondra fanazavana ara-teknika momba ity raharaha ity ny ekipan’ny ministra Hajo Andrianainarivelo notarihan’ny talen’ny kabinetrany, Raharison Liva, omaly, izay nanambara fa nisy tokoa ny fanomezan-dalana fanorenana trano lehibe misy rihana telo an’ny Baolai, nomen’ny sampandraharahan’ny fananjariana ny tany etsy Ambatomena. Araka ny lalàna moa dia ny ministeran’ny fanajariana ny tany no tomponandraikitra amin’ny fanorenana trano manana velarana mihoatra ny 1000m2. Tsy nanaraka izay fepetra izay anefa ny Baolai satria trano manana rihana enina no natsangany ary efa mitotaly hatrany amin’ny 1800 m2 ny velarany. «Amin’ny maha mpiahy ny Kaominina ny ministeran’ny fanajariana ny tany dia nandefa taratasy fialana nenina tany amin’ny PDS mivantana ny ministera ny 10 aogositra 2010 mba handraisany fanapahan-kevitra hanajanonana ny asa ka hanaovan’ny Baolai fangatahana vaovao. Tsy nisy tohiny anefa izany ka izay no nahatonga anay handefa ny antontan-taratasy tany amin’ny Bianco ny 02 septambra 2010».

Teo ihany koa no nanomboka nipetraka ny ahiahy sao misy ny kolikoly avo lenta amin’ity raharaha ity. Miandry ny valin’ny fanadihadian’ny Bianco ny rehetra ka aorian’izay no ahafantarana ireo tomponandraikitra mendrika hosaziana, hoy Rabe Harimanana, Tale misahana ny fandrindrana eo anivon’ny ministera. Amin’izay koa vao fantatra raha ny fanazavany ihany ny fanapahan-kevitra momba ny fandravana na tsia ilay trano tsy manara-dalàna. Niezaka nanatona ny PDS Edgard Razafindravahy izay voatonontonona amin’ity raharaha ity ny gazety Tia Tanindrazana omaly saingy nambaran’ireo mpampita vaovao eo anivon’ny kaominina fa tsy maniry hiresaka momba io ny tenany. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT