Politique

Banky Iraisam-pirenena “Afaka 70 taona i Madagasikara vao hitovy amin’i Rwanda…”


  • Talata 10 Mey 2022

Sesilany ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara. Taorian’ny Vondrona Eoropeanina izay naneho, fa mila antoka ara-pandraharahana na “climat des affaires” tony sy milamina i Madagasikara,

dia maneho hevitra ihany koa ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny tranonkalan-tseraserany, fa afaka 70 taona ny firenentsika vao hahatratra ny toerana sy ny tanjaka ara-toekarena misy an’i Rwanda ankehitriny. Ity firenena ity izay rotiky ny ady an-trano 30 taona lasa, ary ny taona 2008, dia mbola tany aorian’i Madagasikara amin’ny resaka fiakaran’ny harin-karena faobe, saingy efa lasa lavitra sy fitaratra aty Afrika amin’izao fotoana izao. Isika izay efa fitaratry ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) tamin’ny Fitondrana Ravalomanana, saingy nofinofy sisa izany. Henjana ary mampanongo tena hoe: afaka 70 taona vao hahatratra sy hitovy amin’ny misy an’I Rwanda amin’izao, ka nanipihan’ity rafitry ny Bretton Woods ity, fa mila fanavaozana goavana isika. Midika izany fa tsy mahomby ny fitantanana misy ankehitriny izay mety ho noho ny antony maro : rafitra, laharam-pamahemana, finiavana politika,… Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa voafetran’ny rafitra ny fiakaran’ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mifandraika amin’ny olombelona ny fotodrafitrasa, fambolena sy famokarana tsy mifandraika amin’ny zava-misy, faharefoan’ny governemanta sy ny andrim-panjakana,… Nahitsy ny Banky iraisam-pirenena naneho, fa firenena fahaefatra maneran-tany manana tahana tsy fanjarian-tsakafo ambony indrindra i Madagasikara. Ny 97% amin’ny ankizy latsaky ny 10 taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra sy mahazo zavatra mifandraika amin’ny taonany. Tsy maharakotra afatsy ny 6% amin’ny vahoaka ny resaka fiarovana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahantrana mandifitr’olona. Mila mitondra fanavaozana lalina ny governemanta mba hahafahan’ny mpampiasa vola vaovao amin’ny sehatra samihafa hanana antoka, afaka ny hamorona asa, mila fotodrafitrasa fototra mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka maro an’isa ao anatin’ny fahasahiranana. Notsindrian’ny Banky Iraisam-pirenena ireo lafiny tena mila fanaovaozana maika : fanafainganana ny fanaovana vaksiny, fanamafisana ny fiatrehana ny fiovana mahery vaika ara-toetr’andro, fanatsarana ny asam-panjakana, fanavaozana momba ny fananan-tany, fisintonana mpampiasa vola ho an’ny sehatry ny herinaratra izay tena mindangana ankehitriny, ny nomerika, ny fitaterana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT