Nanome baiko ny Governora ny Filoha fa tsy maintsy mahavita lalana 200-250km isan-taona ny Faritra.
Ny tetibola voasoratra ho an'ny Faritra tantanan'ny Governora anefa dia 2 miliara ariary, ka ny 1 miliara hampandehanan-draharaha, ary ny 1 miliara ar hanaovana fotodrafitrasa. Araka ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Patrick Raharimanana anefa dia: Mitentina 5-6 tapitrisa euross na 25 miliara ariary eo ny 1km raha “autoroute”; ny lalana “2x2 voies” dia 4-5 tapitrisa euros na 21 miliara ariary ny 1km. Raha fanoloana ny “couche de roulement” amin'ireny làlam-pirenena ireny indray dia 100 000 euros na 420 000 000Ar isaky ny km; raha hanamboatra vaovao kosa dia 2-4tapitrisa euros na 17 miliara ariary isaky ny km. Tsy ao anatiny ny tetezana sy ireo fotodrafitrasa vaventy. Raha hanao lalana rarivato na “pave” kosa dia 30 000 euros na 120 000 000Ar ny km; Raha anao lalan-tany dia 10 000 euros na 20 000 000 ar eo ny kilometatra. Koa asa ilay baiko eto na hanao lalam-baovao, na hanao Tip Top, na hanao inona, fa io tsy vitan'ny baiko fa mila omena vola anamboarana azy ireo faritra, hoy i Patrick Raharimanana. Fotoana izao anomezana lanja ny Faritra, aleo ho tantanan'ny Faritra ny harenan'ny Faritra, ny anjaran'ny foibe no omena ny Faritra, fa tsy hoe lasan'ny foibe avokoa ny harenan'ny faritra, dia izy no manome izay tiany omena ny Faritra, hoy hoy hatrany Atoa Patrick Raharimanana. Tena ho azo antoka ihany koa ve etsy andaniny ny famatsiana 8 miliara dolara hanamboaran-dàlana sy “autoroute”? Manam-bola ampifandanjana amin’izany ve ny Firenena Malagasy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.