Politique

AZA MIREDIREDY NAMA A !


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Ny tànana efa zatra mitsotra tokoa angamba tsy afaka ny hivokona intsony ka dia mitohy ny politika toa revin-gadra mandavan-taona.


 Mitety faritra mamory vahoaka, mitokatokan-javatra ka taloha raha làlana an-jatony na am-polony kilaometatra maro no tokanana, dia izao làlana tsy ampy 1km aza toa ilàna filoha. Mitondra artista maro miampy fampandihizana fitombenana, dia faly tokoa ny vahoaka satria fampisehoana maimaimpoana tokoa io. Fa ny tena loza dia nampanantena kianja mitafo na « gymnase » indray tany Fenoarivo Atsinanana satria hetahetam-bahoaka, hono! Tena izany ve no maika sy laharam-pahamehana sy handaniana volam-panjakana amin’izao efa fahasahiranana izao? Mbola sahy milaza fa miasa sy mampandroso an’i Gasikara! Aza mirediredy nama a!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT