Tontosa omaly teny Andrefan'Ambohijanahary ny kongresy voalohan'ny antoko Madagasikara Afaka (MAF). Nandritra izany no nandanian'ireo mpizaika 1200 avy amin'ny Faritra 22 ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, ho filoha nasionaly.
Haka fitondrana ?
Ny 11 aogositra 2009 moa no efa nijoro ara-panjakana ny MAF, saingy niasa nangina ny antoko fa tsy nisehoseho, ary tsy mba anisan'ireo nitady toerana tao anatin'ny tetezamita, araka ny fanazavan'ny Maitre Avoko Rakotoarijaona. Tsy mifanalavitra amin'ny foto-kevitra ijoroan'ny kung-fu moa ny tarigetran'ny Madagasikara Afaka dia ny hoe : «Fitiavan-tanindrazana sy fahamarinana». Efa hatry ny ela izahay no nanaraka akaiky ny fiainam-pirenena, hoy ny filoha nasionalin'ny MAF. Nisy ny hetsika efa natao mba hanairana ny mpiray tanindrazana ka izany, ohatra, no nanaovana ilay Mifohaza ry Gasy. Efa natao ihany koa ny fitetezana an'i Madagasikara tamin'ny alalan'ny hetsika Masoandro Maraina ka nampianarana sy nampahafantarana ny Malagasy ny tantaran'ity Nosy ity sy planin'Andriamanitra momba azy. Mety ny miasa mangina fa tsara kokoa ny mandray anjara mivantana amin'ny fanavotana ny firenena, ka izay no naha tapa-kevitra anay hanetsika ny antoko Madagasikara Afaka ka handray anjara amin'ny fifidianana rehetra izay ho avy eo, hoy i Avoko Rakotoarijaona.
Araka ny fanazavany dia handray anjara amin'ny ambaratongam-pifidianana rehetra, miainga any amin'ny Sefo Fokontany ka hatrany amin'ny filohan'ny Repoblika ny MAF, ary vonona ny hifaninana na rahampitso dia rahampitso aza dia atao ny fifidianana. Tsy mbola nisy ny tena fanambarana ofisialy aloha hatreto, saingy efa tsinjo fa mety ho anisan'ireo kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 8 mey 2013 ny Maitre Avoko ka ity antoko Madagasikara Afaka ity no hanolotra azy. Mazava ny resaka eto fa vonona ny haka fitondrana amin'ny alalan'ny fifidianana ny Maitre Avoko sy ireo mpiara-dia aminy manerana ny Nosy, izay nambarany fa miisa 120 000 aloha hatreto, izay ahitana ny mpanao kung-fu sy ny avy ao amin'ny ANAWI ary mpikambana tsotra ao amin'ny MAF. Mbola ho avy indray anefa ny fitetezam-paritra hanentanana ny olona ny amin'ity antoko ity ka azo antoka fa tsy maintsy mbola hitombo ny isan'ny mpikambana.
Fivavahana sy politika
Manizingizina hatrany moa ny Maitre Avoko Rakotoarijaona fa tsy afa-misaraka ny politika sy ny fivavahana satria tokony ho araka ny sitrapon'Andriamanitra no hitantanana ny firenena. Ary raha ny tena marina aza, hoy izy dia Andriamanitra no mpanao politika voalohany satria nibaiko ireo mpanjaka napetrany momba ny hitantanana an'i Israely izy. Rehefa tsy miaraka amin'Andriamanitra ny mpitondra, hoy ny Maitre Avoko dia ny devoly no manjaka ao an-dapa ka tsy mahagaga raha mahazo vahana ny lainga, ny halatra, ny vono olona sy ny asa ratsy maro samihafa. Ny tsy mety, araka ny fanazavany dia ny hoe misy antokom-pinoana iray mahazo vahana ao anaty fitondrana. Ny Maitre Avoko sy ireo mpiara-dia aminy moa dia milaza fa efa manana vinam-piarahamonina, ka amin'izy ireo dia tsy nofinofy fa azo tanterahana tsara ny hoe i Madagasikara no lasa laharana voalohany eo amin'ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, amin'ny 2017.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.