Politique

AVI Amoron’i Mania “Tsy tokony hisy tsy maty manota eto”


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Tao aorian’ny Faritra Vakinakaratra sy Menabe dia notanterahina tao Ambositra ny lao-bary an-dasim-paritrin’ny Antoko AVI na Asa Vita Ifampitsarana ho an’ny Faritra Amoron’I Mania ny 15 sy 16 oktobra 2021 lasa teo,

 tao amin’ny Espace Ny Anjara Soa Ambositra. Tany an-toerana ny Filoha mpanorina ny AVI Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Nanatrika izany ny mpikambana solontenan’ireo distrika 4 mandrafitra ny faritra. Noresahina nandritra ity loa-bary an-dasy ity ny olana hita eny ifotony. Naneho ny hetahetany ireo mpikambana mba hampandrosoana ny antoko eny ifotony. Mijoro mandrakariva amin’ny foto-kevitra nanorenana hatramin’ny taona 1997 ny Antoko dia ny : Fanjakana tsara tantana, ny demokrasia, ny fanjakana tandalàna. Mivohy ihany koa ny fampandrosoana mitovy isam-paritra na ny « développement équilibré ». Manohana ny fitondrana misy ankehitriny ny Antoko AVI, hoy ny filoha mpanorina fa kosa dia miteny ny tsy mety izay hita sy miseho etsy sy eroa, anjarany fitondrana anketriny no hihaino na tsia. Naneho fa manaraka hatrany ny fiainam-pirenena moa ny antoko ary miheno ireo fitarainana izay miseo eny amin’ny fiarahamonina. Isan’ny notsipihin’ny filoha mpanorina ny AVI, fa tsy tokony hisy ny tsy maty manota eto amin’ny Fanjakana : rehefa manao ny tsy mety dia tokony ho sazin’ny lalàna velona avokoa ny mpitondra isan-tokony satria izany no tsy mampandroso. Misy ihany koa hoy, hatrany Andrimatoa Norbert Lala Ratsirahonana, ny mitavozavoza ireo tompon’andraikitra ka mahatonga ny hetsika fitokonana etsy sy eroa, ary rariny raha mitaky ny karamany ny olona satria fivelomany izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT