Politique

“Avelao hilatsaka Rajoelina raha sahy, ary aza sakanana kosa i Dada sy izay vonona”, hoy ny TIM Tolagnaro


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Naneho ny heviny manodidina ny toedraharaham-pirenena ankapobeny ny Tiako I Madagasikara Tolagnaro nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao ny fiandohan’ny herinandro ity.

 Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa tsy ny Ankolafy telo velively na ny Tiako I Madagasikara miaraka amin’i Dada no sakana tsy mampivaha izao krizy izao fa ny FAT sy ireo mpiaradia aminy, indrindra amin’ity mivadibadi-dela ity. Tsotra ny fahitan’ny Tiako I Madagasikara Tolagnaro ny raharaha : “avelao hilatsaka i Andry Rajoelina raha sahy amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary aza sakanana kosa i Dada sy ireo izay vonona hanompo ny tanindrazany. Raha demokraty marina ity fitondrana FAT ity, tsy tokony hanisy olana amin’izany”, hoy izy ireo. Mikasika ny raharaha 7 Febroary dia ambaran’izy ireo fa tsy meloka ny filoha Marc Ravalomanana, ireo nitarika olona hovonoina teny no tokony hampiharana ara-bakiteny ny lalàna iraisam-pirenena. Momba ny raharaha  andramena indray dia nanamarika ny Tiako I Madagasikara Tolagnaro fa raha nisy fandraisana andraikitra marina dia efa tamin’ny andron’ny praiminisitra Monja Roindefo no efa foana io.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT