Politique

Avaradrano Vita ny lalana amina kaominina maro


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Nanao fitsidihana ara-teknika tany amin'ireo asa rehetra nataon` ny ekipan'ny Faritra Analamanga omaly tany amin` ny distrikan` Avaradrano.

 

 

 

 Lalana an-kilaometatra maro no noraisin` ny faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana azy tamina toerana efatra. Ny voalohany dia teny amin'ny Kaominina Masindray no naleha sy notsidihana ka lalana pavé mampitohy an'Antaramanana sy Ampanobe izay "point noir" ka tena mampijaly ny mponina rehefa fahavaratra no nojerena. Nitohy teny amin`ny kaominina Ambohimanambola izay lalana pavé mampitohy an' Ampahimanga sy Ambohipeno avy eo. Toerana fahatelo nanaovan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika ny teny amin`ny kaominina Ambobimangakely Behintsy axe RN2 vers By Pass (ex RIP). Toerana farany dia kaominina Ambobimangakely izay lalana pavé eo Ambodivoara mampitohy an'i Andranovao. Niaraka teny an-toerana hatrany nijery ireo asa ireo ny sefo distrikan` Avaradrano sy ireo Ben'ny tanana. Vita ny asa saingy misy ireo pitsopitsony tsy maintsy hahitsy araka ny fahitan'ny teknisianina ao amin'ny faritra Analamanga satria ilay asa manara-penitra sy maharitra no ilaina, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT