Augustin Andriamananoro

> Very seza


  • Alakamisy 06 Martsa 2014

Nesorin’ny fitondrana Rajaonarimampianina tsy ho mpitantan-draharaham-panjakana ambony intsony i Augustin Andriamananoro.

Noraisina omaly nandritra ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena azy ho Tale jeneraly vonjimaika mpisolo toerana tao amin’ny OMERT (Office Malagasy d’Etudes et de Régulation des Télécommunications), andraikitra notanany nanomboka tamin’ny  25 novambra 2010. Anisan’ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina i Augustin Andriamananoro. Efa minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny fifandraisana, ny paositra ary ny teknôlôjia vaovao tao anatin’ny tetezamita izy. Talen’ny fampielezan-kevitra nampandany ny ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 17 novambra 2010. Farany teo dia anisan’ny filoha mpandrindra ny vondrona MAPAR ary nitarika ny delegasiona mifampidinika tamin’ireo mpanolotsain’ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena ny praiminisitra. I Augustin Andriamananoro no anisan’ny nilomay nanakatona ny Radio MADA sy Fahazavana tamin’ny 2009-2010. Very seza izy ankehitriny, lasa tsy an’asa vetivety. Naato tamin’ny asany ihany koa ny Tale jeneralin’ny  Paositra Malagasy Razafimanantsoa Stéphanoël Richard.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT