Politique

Auguste Paraina “Aoka hitandrina amin’ny vava avoaka!”


  • Zoma 26 Novambra 2021

Nangataka fanampiana tamin'ny firenena egyptianina i prezida Andry Rajoelina mba hanamboarana ny lalana mikodana,

 Antananarivo-Toamasina, izay efa nolazaina anefa tany aloha fa efa hanomboka alohan'ny faran'ity taona 2021 ity ka ho vita alohan'ny faran'ny taona 2023, hoy ny minisitra teo aloha, Auguste Paraina. Faly sady nitehaka daholo ny rehetra, fa indrindra, ny mpisolelaka, nefa indrisy, izao vao fantatra fa mbola tsy vonona akory ny vola sady 250 km tsy vita anatin'ny roa taona rahateo, hoy izy. Mazava ho azy fa tsy afaka hanampy antsika i Egypta izay mba mitady vola etsy sy eroa ihany koa fa indrindra amin'ny firenena arabo mpamokatra solitany hanaovany fotodrafitra . Ankoatran'izany dia misedra olana io firenena io noho ny disadisa misy eo aminy sy ny firenena etiopianina taorian'ny fahavitan'ny tohadrano lehibe “La Renaissance”. Etiopia indray izao no lasa mifehy tanteraka ny renirano lehiben’I Neily ka misedra fahasahiranana i Egypta. Aoka isika tsy hangataka lava amin'izao firenena rehetra izao ary mba hitandrina amin'ny vava avoaka toy ny hoe “isika tsy hitrosa intsony fa mety hampidrana an'i kaomoro”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT