Politique

Atsy Afrika Atsimo Hihaona amin’i Dada ny filoha Sarkozy ?


  • Talata 07 Desambra 2010

Hitsidika atsy Afrika Atsimo ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy ato ho ato. Fitsidihana manokana io araka ny loharanom-baovao. Na izany aza dia zavatra roa loha no mby ao an-tsaina eo anatrehan’io.

I Afrika Atsimo dia anisan’ireo firenena 20 manankarena indrindra eran-tany, ary lohalaharana aty Afrika eo amin’ny tanjaka ara-toekarena. Tsy azon’ny Frantsay tsinontsinoavina, araka izany, ny toerana misy azy, eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena. Eo amin’ny lafiny jeografia politika indray, tany mpikambana ary anisan’ny mpitarika eo anivon’ny Vondrona SADC i Afrika Atsimo. Tany mpikambana nefa manana olana politika ao anatin’izany i Zimbabwe sy i Madagasikara.

Tany miteny anglisy itsy voalohany, ary efa manomboka hita soritra ny vahaolana any aminy, izay ny Profesora Ranjeva Raymond no nitarika ny ekipa namolavola ny sori-dalana hivoahany amin’ny krizy. Na anatin’ny Vondrona SADC dia anisan’ireo tany mpikambana ao anivon’ny fianakaviamben’ireo tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay i Madagasikara, ary zanatany frantsay rahateo no miaina krizy politika goavana tsy manam-pitoniana efa ho roa taona izao. Azo antoka fa horesahan’i Nicolas Sarkozy amin’i Jacob Zuma, filoha afrikanina tatsimo, mandritra ny diany any an-toerana ny amin’ity raharaha Madagasikara ity. Azo eritreretina koa aza ny mety hihaonany amin’ny filoha Marc Ravalomanana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT