Misy ny loharanom-baovao milaza fa nalain’ny Fanjakana ny tanin’ny Orinasa Tiko ao Fianarantsoa.
Voalaza fa atolotry ny Antenimieran’ny Varotra na ny « chambre de commerce » ho an’ny polisim-pirenena io tanin’ny orinasan’i Marc Ravalomanana io. Minisitra vitsivitsy no efa tonga tany an-toerana ny faran’ny herinandro lasa teo nametraka vato fototra hanaovana fanorenana eo amin’ilay toerana, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Andrasana kosa anefa na izany aza ny fanamafisana na fanazavana avy amin’ny Fanjakana momba io toe-javatra io. Taorian’ny fandrodanana ny tany Toamasina izany, dia ny any Fianarantsoa indray no indray no halain’ny Fanjakana raha tena mitombina io resaka io. Mbola raharaha hafa ihany koa ilay fanapahana ny fifanarahana, ka hanesorana ny Magro etsy Anosipatrana nanomezana fe-potoana enim-bolana tamin’ny volana aogositra. Hatramin’izao , mbola mandeha ny fifandroritana eo amin’ny Fanjakana izay efa teo tamin’ny tetezamita. Mbola mitohy ihany koa ny fitakian’ny Vondron’orinasa Tiko ny hampiharana ny tondrozotra tamin’ny taona 2010. Isan’ny voafaritra ao anatin’izany ny fanonerana ny fahapotehana nanomboka ny 2009, ka 1461 miliara ariary ny tombany, hoy ny Tiko araka ny dosie napetrak’izy ireo teny amin’ny CFM ny 30 septambra.
ATOSIKA HITROATRA RAVALOMANANA
Toa mifandraika amin’ny politika hatrany ny raharaha. Tsikaritra ny fisiana tetika hanao izay hampitroatra an’i Marc Ravalomanana ahafahana manameloka sy mandetika azy. Manana sata maha Filoha teo aloha azy i Marc Ravalomanana, izay sarotsarotra ny manenjika azy. Na izany aza, ezahina kitihina any amin’ny maharary azy. Potehina sy alaina ny fananany, atao andrimaso, rangitina hitroatra, hanaovana antsojay amin’ny endriny samihafa i Marc Ravalomanana. Atao izay hahatezitra azy sy ny mpiara-dia aminy, ka mora kokoa ny handetika azy ho loharanon’ny korontana sy savorovoro ary ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana raha mitroatra eo. Mety andrankadnaramana hosamborina aza, ary efa karazana kitsapatsapa na fiomanana ny andrimaso etsy sy eroa. Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa efa namoahan’ny tetezamita didy higadra i Marc Ravalomanana, ary mety tsy hananan’ny Fanjakana ankehitriny hena-maso ny hanameloka indray azy, raha mihetsika ny lohan’izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.