Atoa Ratsimbason Patrice

> Avelao hahalaka ny filoha hanendry ny Praiminisitra


  • Alakamisy 20 Febroary 2014

Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ny maro amin’izao fotoana, indrindra ny mikasika ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Anisan’ireo naneho hevitra ka nanaiky hiresaka amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny mpikambana teo aloha tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Atoa Ratsimbason Patrice avy ao Antsirabe.

 

Tia Tanindrazana (TT) : Resabe ity fanendrena Praiminisitra ity amin’izao fotoana, ny hevitrao manoloana izany, ianao rahateo efa tompon’andraiki-panjakana teo aloha ?
Dr Ratsimbason Patrice (RP) : Sesilany ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa manoloana ny fanendrena Praiminisitra, indrindra taorian’ny namoahan’ny HCC ny fehin-keviny fa ny antoko na vondrona antoko nahazo maro an’isa eny anivon’ny Parlemanta no tokony hanolotra anarana. Raha ny fahitako azy dia rariny sy hitsiny mihitsy raha toa ka ny filoham-pirenena no manendry ny Praiminisitra. Ny Praiminisitra mantsy no mpanatanteraka izay fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra mba tsy hisian’ny savoritaka lava toy ny teo aloha. Ny dikany dia tokony halalaka ny filoha Hery Rajaonarimampianina hanendry izay olona afaka hanatanteraka ny politikany sy ny fandaharan’asa nampanantenainy ny vahoaka satria efa lazaina ombieny ombieny fa ireo vahoaka ireo amin’izay no hojerena.

T.T : Ny fahitanao ny fehin-kevitry ny HCC ?
R.P : Andrim-panjakana tsy tokony hanankery intsony io HCC io raha ny lalàmpanorenana no arahina satria fito taona tsy azo havaozina ny fe-potoanam-piasan’ireo. Efa tamin’ny 2010 ireo no tsy nanankery intsony ary tokony ho efa noravaina ka tsy ireo no hanambara resaka fanarahan-dalàna satria izy aza tsy ara-dalàna. Mba hilaminana sy hijerena marina izay tokony hahasoa ny vahoaka amin’izao fialana amin’ny krizy izao dia tokony hipetraka izay fanarahan-dalàna izay fa efa sahirana ny vahoaka.
Ankoatra izay dia hiaraha-mahita izao ary hita sy tsapa fa misy mifanipaka ny lalàmpanorenana iainana ankehitriny io, indrindra mikasika ity fanendrena ny Praiminisitra ity ary voaporofo ny naha tefy maika azy raha tsy hilaza afa-tsy io andininy faha-54 mampisy resabe io. Araka ny voalaza tokoa dia izay antokona vondron’antoko manana ny maro an’isa no manendry ny Praiminisitra. Ny Praiminisitra anefa dia mpanantanteraka ary ny rafitra mpanao lalàna dia mpanaramaso ny asan’ny mpanantanteraka ka toa midika izany fa sady manendry izy no manara-maso, izay midika fa «juge et partie» izany.

T.T : Avadika ny tafa. Miparitaka ny grenady ary mirongatra ny fanafihana mitam-basy, inona no mahatonga izany ?
R.P : Mahalasa saina tanteraka tokoa ary toa mifandray ireo zavatra ireo indrindra taorian’ny fisiana fahaverezana fitaovazam-piadiana teny anivon’ny mpitandro filaminana ireny. Amiko dia fampihorohoroana ny zava-misy amin’izao fotoana satria hita fa miditra lalina amin’ny politika ihany koa ny mpitandro filaminana, indrindra fa ireo lehibeny ka tsy voalamina intsony ny asany izay tokony hifototra amin’izay ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT