Mampanahy be ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana raha ny fahitan’Atoa Andriamampianina, mpandinika ny raharaham-pirenena, azy.
Tsikaritra ho mangina tanteraka mantsy ny tontolo politika ka tsy fantatra na noho ny fivoahan’ny datim-pifidianana na ahoana. Nanaitra ihany koa, hoy ihany ity olon-tsotra ity ny antso avo nataon-Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENIT mahakasika ny fiantsoana ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha Ravalomanana mba handray andraikitra manoloana ny fitarazohan’ny famahana ny krizy amin’izao fotoana. Misy dikany goavana, hoy Atoa Andriamampianina iny antso iny, izay midika fa any amin’izy roalahy ny mety hivahan’ny olana amin’izao krizy izao.
Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa atahorana ny mety tsy hahatanteraka ny fifidianana raha ny fandehan-draharaha no jerena satria raha ny sehatra iraisam-pirenena dia efa mazava fa tsy maintsy tanterahina amin’ny antsipirihany ny tondrozotra izay efa lasa lalàna vao hisy ny famatsiam-bola sy fanantotosana ny fifidianana heken’ny rehetra. Nolazaina fa nisy ny famatsiam-bola kanefa teny misy ve ny vola ? Iaraha-mahita fa na ny fanisana ny mpifidy teto Antsirabe aza dia tsy nandeha tamin’ny laoniny akory kanefa tanàn-dehibe faharoa eto Madagasikara. Dia aiza ho aiza ny any amin’ny faritra hafa ? Marina fa samy mivoy ny hanatanterahana ny fifidianana ny mpanao politika. Raha ny fihetsik’izy ireo anefa dia tsy izay fa satriny hitohy hatrany ny tetezamita.
Mbola samy mihinana mantsy izy ireo ary izao no mety aminy noho ny fifidianana. Tokony holazain’ny mpitondra ny marina fa efa tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Raha mitohy izao dia tsy azo ihodivirana ny fipoahana ara-tsosialy goavana eto Madagasikara. Raha hisisika hanao fifidianana toy ny tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo moa ny mpitondra dia mbola ho krizy lalina indray no haterak’izany. Etsy an-daniny moa dia tsy hanaiky ny fifidianana ho avy eo koa ny movansy Ravalomanana raha tsy tonga ny Dadany ka izay no hilazana fa hisy ve ny fifidianana raha ny zava-misy amin’izao fotoana. Mampanahy tanteraka, hoy hatrany Atoa Andriamampianina namarana ny teniny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.