Politique

Atallah Béatrice «Madio ny eritreritro»


  • Zoma 21 Martsa 2014

Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena ny fiatrehana ny fifidianana. Azo atao hoe nilamina fa tsy nikorontana tahaka ny mahazatra aty Afrika ny antsika teto Madagasikara na dia nisy ihany aza ny zavatra tsy nety sy tsy araka ny tokony ho izy.Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Vita iny ny fifidianana, nisy ihany anefa ny olana, inona ary no tokony harenina raha araka ny fahitanao azy ?

Atallah Béatrice (A.B) : Vita tokoa ny fifidianana ary azo ambara hoe lasa firenena modely tsy eto Afrika ihany fa manerantany mihitsy isika. Misy ny jery todika sy tomban’ezaka ataonay eto amin’ny CENI-T miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka ho avy tsy ho ela ny tatitra amin’ny antsipirihany. Efa nandray fepetra izahay hanarenana ny lesoka, fa aleo rehefa tena vita ny tomban’ezaka dia ho hitanareo eo.

 

T.T : Afa-po ve ianareo teto amin’ny CENI-T teo amin’ny lafiny ara-bola, ara-pitaovana ary ara-potoana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana ?

A.B : Tena afa-po tamin’ny ankapobeny satria fifidianana tena nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena no natao teto amintsika ary mazava tsara ny fomba fiasa. Nisy indro kely ihany anefa teo amin’ny resaka fotoana sy tetiandro noho ny fahatarana ny fanasoniavana ny PACEM, satria be famaritra loatra ny mpanao politika Malagasy.

 

T.T : Moa ve tompoko tsy maintsy ilaina ny kara-pifidianana satria toa ohatry ny niteraka olana ihany mantsy izy io ?

A.B : Tsy maintsy nampiasaina ny kara-pifidianana satria efa izay no voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika. Azo heverina ihany anefa ny hianarantsika ny natao tany Sénégal sy Mali ka kara-panondro ihany dia efa ampy, saingy mbola mila fandaminana sy lalàna izany.

 

T.T : Aiza ho aiza ny fiomanana amin’ny famerenana ny fifidianana solombavambahoaka amin’ireo Distrika efatra : Ambanja, Belo Tsiribihina, Marovoay ary Sainte Marie ?

A.B : Mbola ampy tsara ny vola eo am-pelatanana, efa nalefa ny komandin’ireo fitaovana ilaina rehetra ary efa vonona ny hanao izany ny orinasa atsy Afrika Atsimo. Tsy misy atahorana fa hohajaina tsara ny datin’ny 30 mey efa nomena.

 

T.T : Misy ny olom-pirenena velom-panontaniana hoe : mahaleotena amin’ny ahoana marina moa ny CENI-T ? Afaka manampy fanazavana momba izay ve ianao tompoko ?

A.B : Eny, afaka tsara mihitsy. Tsara homarihana aloha tsy misakana ny firesahana amin’izatsy na izaroa mihitsy ny hoe mahaleotena eto. Amiko dia mahaleotena rehefa manana tetibola mazava. Io vola io anefa dia tsy maintsy alaina avy amin’ny tetibolam-panjakana sy avy any amin’ireo mpamatsy vola fa tsy hoe vola milatsaka avy any an-danitra. Mahaleotena ihany koa rehefa manaraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna sy fitsipika mifehy azy ny CENI-T ary tsy misy teny midina na tsindry mihitsy rehefa hanapa-kevitra izy.

 

T.T : Ka tena mahaleotena marina ary ve ianareo ?

A.B : Aleo tsorina fa mahaleotena kokoa ianao rehefa ny volanao manontolo no ampiasainao fa tsy mindrana na mangataka aman’olona ianao. Mazava be fa tsy maintsy efa nisy nandrimbinana sy voahitsaka kely ny fiandrianam-pirenena rehefa ny vahiny no manome vola antsika hanaovana fifidianana satria misy fepetra maro apetrak’izy ireo ary tsy maintsy arahana na tiantsika na tsy tiantsika.

 

T.T : Miteraka resabe eto amintsika ny maha mpinamana sy mpiara-miasa fahiny anao sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Misy milaza mihitsy aza fa noho ny maha filohan’ny CENI-T anao no nandreseny tamin’ny fifidianana ?

A.B : Olona tsy mba mahay mandainga aho ! Marina tokoa fa nifankafantatra hatry ny ela izahay mianadahy satria samy nianatra teny Ankatso. Mbola nifanerasera ihany koa izahay satria nanoro hevitra ny vadiko izy tamin’ny resaka fananganana orinasa. Nisy fotoana efa nampianatra ahy koa izy. Rehefa tonga minisitra izy dia niantso ahy mba hiaraka hiasa aminy. Nanda aho tamin’ny voalohany satria tsy mety amiko ilay resaka politika ary tsy resy lahatra tamin’ilay fitondrana nijoro koa aho. Taty aoriana anefa rehefa nohazavaina tsara tamiko ny zava-drehetra dia nanaiky ny ho mpanolotsainany ihany aho ary tena nahafinaritra ny fiaraha-miasanay tao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy tetibola, fiaraha-miasa izay marihiko tsara fa ara-teknika tanteraka.

 

T.T : Nanao ahoana ny fomba fifandraisanareo tamin’ireny vanim-potoan’ny fifidianana ireny ?

A.B : Raha tafaresaka izahay dia nolazaiko mazava taminy hoe : tsy mahay mangalatra aho Atoa minisitra fa ataovy matotra tsara ny ekipanao dia hajao ny lalàna. Diso tanteraka ny filazana etsy sy eroa fa nitongilana na nitanila tamin’i Hery Rajaonarimampianina ny tenako. Madio tanteraka ny saiko. Ny asako no nataoko ary izaho dia nianatra lalàna, mahafantatra tsara ny lalàna ary manaja tanteraka ny lalàna. Tsy nisy nanam-po anie hoe ho lasa filohan’ny CENI-T ny tenako e ! Ary iza koa moa no nieritreritra fa ho kandida ary lany filoha Atoa Hery Rajaonarimampianina, fa mety efa izay mihitsy izany ny fandaminan’Andriamanitra e !

 

T.T : Azonao hamarinina eto ve fa azo antoka tanteraka ny fomba fiasa sy ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fanisam-bato ?

A.B : Fifidianana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no nataontsika. Hentitra dia hentitra ny fanaraha-maso, sarotra izany hangala-bato na hanova ny voka-pifidianana izany. Nisy ankizy (opérateurs de saisi) teto aminay nanova ny tarehimarika fa tonga dia tratra ary noroahana teo no ho eo. Efa nanentana tsara ireo kandida kosa anefa ny tenako mba hametraka delege isaky ny birao fandatsaham-bato mba hanara-maso ny zava-drehetra mitranga any, fa raha ny anay eto amin’ny CENI-T aloha dia madio sy mangarahara ary tsy nisy hosoka na halatra izany e !

 

T.T : Nisy fotoana ianao toa nazoto nivezivezy tany ampitan-dranomasina. Nitsangantsangana ve sa nanao inona ?

A.B : Izaho dia tena gaga amin’ny vava be ataon’ny olona sasany. Asa no nataoko tany Eoropa sy Etazonia. Nisy fotoana anie efa saika nijanona tanteraka ny fanaovana fifidianana teto amintsika e ! Be loatra mantsy ny sangodim-panina politika. Fa ny tenako no niangavy ny tao amin’ny Firenena Mikambana sy ny Sekretariam-panjakana Amerikanina mba hanampy sy hanohana antsika. Raha sanatria tsy nahavita fifidianana teo isika tamin’ny 2013 dia mety mbola nifanjevo teto indray nandritra ny 5 taona manaraka satria niala tamintsika ny sehatra iraisam-pirenena, isika anefa tsy manana ny vola sy ny fitaovana ary ny traikefa hanaovana fifidianana madio sy mangarahara izany. Namonjy ny zotram-pifidianana sy ny Firenena no nandehanako tany ivelany fa tsy nitsangatsangana.

 

T.T : Ianao ve tompoko mbola mazoto ny hitantana ny CENI-T ato anatin’izao Repoblika fahefatra izao ?

A.B : Efa tena be no vita. Mafy ihany koa ny nanjo ahy tato ka hitako hoe tsara angamba raha mba olon-kafa indray no mitantana ny CENI-T e !

 

T.T: Fa rahoviana marina moa izany no atao hoe mifarana ny asan’ny CENI-T ?

A.B : Vita mihitsy ny fifidianana Ben’ny tanàna izay tokony hatao amin’ity taona ity vao vita ny asanay. Araka ny lalàna anefa dia afaka manapa-kevitra ny handrava na hanova endrika ny CENI-T mandritra ny filankevitry ny minisitra ny filoham-pirenena rehefa tafantsangana ilay governemanta vaovao.

 

T.T: Ary raha miantso anao hiditra anaty governemanta ny filoha sy ny praiminisitra, hanaiky ve ianao ?

A.B : Tena tsy mety amiko ny toerana minisitra satria tena manao politika be, tsy hiditra anaty governemanta ny tenako fa mba hiala sasatra kely aloha, ho hita eo ihany any aoriana any.

 

T.T : Amin’ny maha olom-pirenena anao indray ary, inona aminao no tena laharam-pahamehana ho an’izao fitondrana vaovao mijoro izao satria tena mafy be izao ny fiainana ?

A.B : Izaho tena mahita fa mijaly ny vahoaka. Amiko dia maika ary tena maika ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta. Heveriko fa tokony ho governemanta teknisianina no hajoro fa tsy governemanta anjakan’ny mpanao politika fotsiny. Ampy izay ny adilahy politika. Rehefa tafajoro io dia afaka miasa tsara amin’izay ny fanjakana. Tsotra anie no tadiavin’ny vahoaka e : voky izy, afaka mitsabo tena ara-dalàna, mandry fahalemana ny tany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT