Atallah Béatrice

> «Tsy manana kandida ho praiminisitra aho»


  • Talata 11 Martsa 2014

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI-T, Rtoa Atallah Beatrice omaly dia tena lasa firenena modely manerantany amin’ny fanaovana fifidianana demokratika lavitry ny korontana mihitsy i Madagasikara taorian’ny nahavitantsika ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka miaraka ny faran’ny taona 2013 teo.

Izay no antony nivoahany ary mbola hivoahany matetika any ivelany satria dia mitohy ny fifampizarana traikefa, tahaka ny nataony farany teo tany Afrika Atsimo. Fantatra izao fa dia mbola nahazo fanasana ho any Jordania sy Canada indray amin’ny alalan’ilay tambajotran’ny vaomieram-pifidianan’ny Frankofonia Rtoa Atallah Béatrice mba hizara ny traikefany sy hijery ihany koa ny tsara ho fantatra amin’ny fomba fiasan’ny hafa. Manoloana ny resabe mandeha etsy sy eroa ihany koa dia nilaza Rtoa Atallah Béatrice fa tsy manana kandida na manohana na manosika olona atao praiminisitra izany mihitsy ny tenany. Efa nanambara ihany koa izy mialoha ny fifidianana fa hoe manao izay hifidianana an’i Hery Rajaonarimampianina izay lehibeny fony izy niasa tao amin’ny minisiteran’ny vola. “Tsy mitombina avokoa izany rehetra izany ary tsy mba olona miovaova lasy tahaka izany aho”, hoy i Atallah Béatrice. “Ny vahoaka Malagasy no tohanako”, hoy izy. Ny resaka nahoraka tato ho ato izay mantsy dia nilaza fa toa hoe miasa mangina any ambadibadika any ny filohan’ny CENI-T sy diplaomaty iray mikaroka ny fomba hitazonana ny praiminisitra Omer Beriziky eo amin’ny toerany. Diso tanteraka izany io resaka io raha araka ity fanazavan-dRtoa Atallah Béatrice omaly ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT