Atallah Béatrice

> Nodokafan’ny OIF


  • Zoma 31 Janoary 2014

Niarahaba ny vahoaka Malagasy nahavita fifidianana tao anatin’ny filaminana ny Sekretera jeneralin’ny Frankofonia (OIF), Atoa Abdou Diouf no sady nanamafy fa vonona hatrany ny fianakaviamben’ireo tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ireo dingana rehetra hanamafisana orina ny filaminana.

Nandritra ny fihaonany tamin’ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice ny alarobia 29 janoary lasa teo tany Parisy-Frantsa no nanambaran’ity filoha Senegaley teo aloha ity izany. Nampahafantatra ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka natao teto Madagasikara tamin’ny Sekretera jeneralin’ny OIF moa ny filohan’ny CENI-T nandritra ity fihaonana ity no sady efa namelabelatra ihany koa ny programa manaraka dia ny fikarakarana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, izay tokony hotanterahana  amin’ity 2014 ity. Niantso ireo manampahaizana ao amin’ny  OIF ihany koa i Atallah Béatrice mba hifanampy amin’ny CENI-T amin’ny fanatanterahany tomban’ezaka vitany ny volana febroary izao. Samy niarahaba ahy avokoa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa tamintsika noho ny nahavitantsika fifidianana milamina ka nahazoana filoham-pirenena vaovao, voafidy ara-pomba demokratika, hoy Rtoa Atallah Béatrice. Notohizany fa dia pejy vaovao mihitsy izao no misokatra ho an’i Madagasikara. Araka ny fanazavany ihany no nahafantarana fa ho avy eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina sy ny OIF aorian’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao, ary efa voaasa sahady amin’ny fivoriana eo amin’i Afrika sy Eoropa hotanterahana any Bruxelles amin’ny volana Aprily ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nitsidika faritra sy firenena vitsivitsy tany ivelany nanomboka ny 20 janoary lasa teo ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice, tany Bamako renivohitr’i Mali izy ny 21 ka hatramin’ny 23 janoary teo niatrika ny fivoriamben’ny RECEF, sampan’ny Frankofonia (OIF) misahana ny resaka fifidianana. Avy eo nihazo an’i Bruxelles ka nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Vondrona Eoropena, ary ny alarobia teo moa izany izy dia tao Parisy nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny OIF. Ho fanatsarana ny fifandraisan’ny CENI-T amin’ireo fikambanan’ny Frankofonia isam-paritra momba ny fikarakarana fifidianana moa, no tanjon’izao fivoahana any ivelany izao, araka  ny fampitam-baovao voaray.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT