Fotoana mety ho an’ny Malagasy izao hitakiana ireo Nosintsika giazan’ny Frantsay hoy ny filohan’ny Association Nosy Malagasy Arlette Ramaroson omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.
Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nanamafy ny SADC ny faran’ny herinandro teo fa an’ny Malagasy ireo Nosy giazan’ny Frantsay ireo noho izany tokony hifanatona ny mpitondra roa tonta. Tokony averina toy ny tamin’ny andron’ny ekipam-pirenena Barea an’i Madagasikara hoy Arlette Ramaroson ny fanohanana ny fanjakana amin’ny fitakiana izany hahitan’ny any ivelany ny firaisankinantsika. Nomarihiny manokana moa fa na dia ireo firenena avy any ivelany aza manohana antsika ka isika Malagasy indray ve no tsy hifanampy. Na izany aza dia notsindrian-dRtoa Arelette Ramaroson tsara fa tsy midoika ho fijerena fotsiny ny tsy mety hataon’ny fanjakana akory ny fanohanana azy amin’ny fitakiana ny Nosy Malagasy fa fifanampiana eo amin’ny samy Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.