Ny fanonganam-panjakana sy ny tetezamita tarihan’ny FAT ankehitriny no tompon’andraikitra amin’ny dahalo any Atsimo sy ny asan-jiolahy miseho lany na an-tanŕn-dehibe na any ambanivohitra ary ny fanakanan’ny jiolahy fiara fitateram-bahoaka amin’ny lalam-pirenena manerana ny Nosy, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana
Tokony hiaiky ampahibemaso ianareo, hoy izy, fa ny fanonganam-panjakana nataonareo tamin’ny 2009 no nampisavoritaka sy nampizarazara ny fikambanam-poko sy antoko politika maro fa tsy mbola nisy hatramin’izay nahatany ny tany ny ady an-trano toy ny mitranga any Atsimo io raha tsy tamin’ity tetezamita tarihan’ny FAT ity. Tena nisehoan-javatra tsy fahita amin’izao fotoana izao. Vokany, tsy afaka mifamezivezy am-pitoniana ny olona, tsizarizary ny fambolena sy fiompiana, matimaty foana ny zana-bahoaka na sivily io na mpitandro ny filaminana. Toy ny tany misy olona manafika eto Madagasikara. Manginy fotsiny ny fitantanana garoraraka sy tsy refesi-mandidy ataon’ny FAT. Ireo rehetra ireo, hoy ny CT Tsianihy, no mahatonga ny vahoaka hiaina ao anatin’ny fahantrana lalina dia lalina. Tokana noho izany ny safidy ho an’ny vahoaka any amin’ireo Distrika notsidihanay tao ho ao dia ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, milatsaka hofidiana ary miverina eo amin’ny fitondrana indray.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.