Nambaran` ny praiminisitra hatrany fa momba ny paik'ady amin'ny “E-gouvernance” hanatsarana ny fampandehanana ny asa rehetra dia efa ampiasaina amin’izao fotoana izao ny rindrambaiko “AUGURE” itantanana ny mpiasam-panjakana.
Nohatsaraina ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny kara-panondrom-pirenena misy eto amintsika. Torak’izany ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fanovana ny fahazoan-dàlana mitondra fiara ho “biométrique” sy ny taratasy momba ny fiara voaaro tanteraka na “Carte grise sécurisée”, izay efa natomboka eto an-drenivohitra sy any amin’ny renivohi-paritany 5 eto Madagasikara. Mba hiadiana amin`ny kolikoly mihatra amin`ireo tantsaha sy mpiompy ambanivohitra, dia efa narafitra ny volavolana didim-pitondrana momba ny fampitoviana ny vidin`ny FIB sy ny bokin`omby izay vinavinaina hivoaka tsy ho ela.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.