Ny sabotsy teo no natao ny hady fototry ny trano EPP ao amin’ny Fokontany
Ambohimanana Kaominina Ambonivohitra Betafo, izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna Livasoa Randriatahinamalala niaraka tamin’ireo fokonolona marobe. Famatsiam-bola avy amin’ny FDL ny 70%, ary ny Kaominina kosa no miantoka ny 30%. Efitra roa no hatao amin’izany ary haharitra 3 eo volana ny fanatanterahana ny asa. Marihina fa vao izao vao mba hanana EPP ity fokontany ity hatramin’izay, na dia efa tamin’ny Repoblika faharoa aza no nanao ezaka ny Filoham-panjakana mba hametraka SFF isaky ny Fokontany. Zaza 142 no hisitraka ity fotodrafitrasa rehefa vita soamantsara raha voatery manenjika fianarana any amin’ny EPP amin’ny Fokontany hafa izy ireo. Nanao antso avo ny Ben’ny Tanàna Livasoa Randriatahinamalala amin’ireo havana, namana ary ireo zanaka am-pielzan’ny Betafo aty an-drenivohitra na any ampitan-dranomasina ary ireo mba nahatsiaro nahita soa sy fanambinana tao amin’ity tanàna ity mba hijery manokoana ny tanànan’i Betafo fa tena isan’ireo tanàn-dehibe tara amin’izao fotoana. Raha vita mantsy ny efitra roa dia mbola hanana olana amin’ny “table bancs” na dabilio ny mpianatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.