Politique

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

 

 

 Talen’ny Famoahana ny gazety ny Valosoa. Nampanantsoina ny 3 aprily ary notanana avy hatrany tao amin’ny “violon” eny amin’ny BC Anosy ity renim-pianankaviana 52 taona vady navelana manamboninahitra iray tao anatin’ny andiany faha-14 teo anivon’ny Ankadimia Miaramila Malagasy ity. Niakatra fampanoavana ny 4 aprily, ka nadoboka vonjimaika eny Antanimora. Tsy izy no manao an’io “siteweb”, fa noho izy tompon’andraikitry ny Gazety Valosoa dia io no hanaovana azy ary efa nohenjehina tamin’ny raharaha angidimby teny Mahamasina, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala. Namoaka taratasy ny ekipa mpiandraikitra io tranokala io rehefa nahita fa nahazo fampiantsoana any amin’ny Polisy atao fanadihadiana i Arphine Rahelisoa, milaza fa andiana Malagasy any dilambato no miandraikitra azy ary « tsy tompon’andraikitra velively amin’izay lahatsoratra rehetra mivoaka amin’ny fesiboky sy tranokala Ny Valosoa Vaovao » i Arphine Rahelisoa. « Farafaharatsiny Fahafahana vonjimaika no nivoaka tato rehefa tsy natsahatra toy ny tsy misy ny fanenjehana an’i Arphine Rahelisoa », hoy ny mpisolovava Olala. Enjehina araky ny fehezan-dalàna famaizana anefa i Arphine Rahelisoa, fa tsy araka ny lalàna manokana toa ny lalàna mifehy ny serasera an-gazety, na koa ny lalàna mifehy ny heloka mahakasika ny fampiasàna tranokala. Raha mbola misy ny Andrimanitra sy ny razana tsy maintsy afakay io Ramatoa io, hoy ny Maitre Olala. Lazaina mbola tsy fantatra ny daty hitsarana ny raharaha, izay mbola mahagaga anay ihany satria ny naoty naparitaka manerana an’i Madagasikara sy manerana izao tontolo izao mihitsy dia hoe: ny raharaha rehetra misy olona migadra, indrindra fa tratra ambodiomby dia tsy maintsy tsaraina ka tokony ho fantatray androany hotsaraina izy ny alatsinainy na talata na alarobia, hoy ity mpisolovava ity. Eran’izao tontolo izao, dia hatao izay tsy hampigadra ny olona tsy tokony higadra noho ny aretina mahatsiravina fa ny antsika sesefana ihany ny ao am-ponja ao mba hahafaty bebe kokoa ny olona ka tsy fantatro ny dikan’izay hoe misy mpamono olona sa tsisy mpamono olona? Hoy ity mpisolovava ity. Hentitra ity mpisolovava ity naneho: “tongava raha lehilahy ny mpitory, raha mieritreritra hoe misy marina kely any aminareo dia tongava amin’ny fitsarana an’io raharaha io”.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT