Politique

Arofenitry ny Prezidansa Nametra-pialana i Lila Andriambalo


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Somary nanaitra ihany ny nahare omaly hariva fa nametra-pialana ny talen’ny arofenitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, dia Ramatoa Randrianarivony Andriambalo Lila izay anisan’ireo olona tena akaiky ny filoham-pirenena ary teo anilany hatrany.

 

 

 

Noho ny antony ara-pahasalamana no nandaozany ny asa aman’andraikiny raha ny fanamarinam-baovao natao omaly. Izy rahateo moa efa 60 taona mahery,  izany hoe efa tafiditra ao anatin’ny sokajin-taona tokony hisotro ronono saingy noho ny fahazotoany sy ny finiavany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena dia mbola nanaiky nisalotra ny andraikitra nanendrena azy ho talen’ny arofenitra eo anivon’ny prezidansa ihany nanomboka ny 24 janoary 2019. Tena mahaliana ny sain’ny mpanara-baovao ity resaka iray ity satria herinandro vitsivitsy izao no efa mivoaka ny vaovao fa sarotsarotra iainana ihany ny rivotra ao ambonimbony amin’ny fitantanana ny firenena ao, ary ireo mpiara-miasa fahiny mihitsy no lasa tsy mifankahazo resaka. Fantatra fa miezaka isan’andro mandamina sy mikaroka ny paikady hampirindrana ny asa ny filoha Andry Rajoelina saingy efa be loatra ny teboka  manomboka tsy hifankahazoana eo amin’ireo mpiara-miasa aminy ka sarotra ny fanapahana. Ekena fa amin’ny maha olombelona, mety misy ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka mety tsy hahazakana intsony ny asa aman’andraikitra, saingy fantatra ihany ny setroka sy tomany. Mibaribary izao fa tena manana olana ny mpitantana na inona na inona adihevitra atao sy fanambarana ofisialy avoaka. Misy zavatra tsy milamina ao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT