Noho ny toe-draharaha misy dia nanangana ny kaomisionina tekinika mikasika ny
famerenana ny nosy Malagasy (Iles Eparses) izahay, hoy ny filohan’ny fikambanana nosy Malagasy, Arlette Ramaroson. Tsy maintsy mitohy ny hetsika momba ireo nosy ireo mba tsy hanararaotan’ny frantsay. Tsy misy iadian-kevitra ary tsy mila taratasy akory fa ny lalana iraisampirenena izay milaza hoe “souveraineté exclusive de Madagascar” dia efa milaza fa antsika ireo nosy ireo. Ny hangalatra ny tanintsika sy ny mbola hanjanaka antsika ihany no maha maika ny frantsay ary raha tsy mailo isika Malagasy dia tsy ireo nosy ireo ihany no ho lasany fa Madagasikara iraimanontolo. Tsy matory andro aman’alina izahay ankehitriny, hoy hatrany ny tenany, mijery izay hahafahana mametraka ilay tolo-dalana momba ny fiandrianam-pirenena sy famerenana ireo nosy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.