Aleo tsy teraka ny governemanta vaovao rehefa tsy hanao na inona na inona, hoy ny mpitsara iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson.
Rehefa tsy mandeha amin’ny filam-bahoaka ny vinanao na hanova izany faha zato faha arivo aza dia tsy misy ilana azy, hoy izy. Ny vahoaka izao tsy mihinan-kanina. Izany no tokony ho jerena. Ny fanjarian-tsakafo izao no maha maika na “sécurité alimentaire”. Amin’ny lalana iraisampirenena mihitsy izany no tokony ho laharampahamehana nefa tsy vitantsika hatramin’izao. Mangataka ny vahoaka aho hisaina tsara amin’ny manaraka eo hoe iza no tokony ho fidiana ? Ny tokony ho fidiana moa dia olon’Andriamanitra sy tampitra ohatra amin’ny fitiavam-pirenena. Ny teo nanao fampanantenana fa tsy nisy tanterany ankoatry ny werawera. Ataon’ny vahoaka inona “télépherique”? Lalana aloha amboarina! Omeo sakafo ny madinika! Ampidiro anaty trano ny 4mi! Ny tolona koa izao ho anay ato amin’ny fikambanana Nosy Malagasy na “Association Nosy Malagasy” dia ny hoe ahoana no ialan’ny frantsay ao amin’ireo nosintsika? Ho avy ny ANM hangataka ny hamafana ny lalana rehetra navoaka ny frantsay mikasika ireo nosy Malagasy satria antsika ireo. Efa nanome tolo-dalana moa izahay saingy niova ny loholona. Tsy maintsy hanao fanabeazana maha olompirenena mikasika an’io izahay satria mbola marary loatra ny Malagasy amin’ilay tsy minan-kanina, tsy mbola mivoatra, mahantra fadiranovana. Ny Kere izao tsy any atsimo intsony fa efa miakatra eto Antananarivo hatrany Nosy be sy Antsiranana, hoy hatrany ity filohan’ny ANM ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.