Niakatra fitsarana omaly ireo lehilahy efatra voapanga nanampy ny filohan` ny federasiona Malagasy (FMF) ny baolina kitra, Arizaka Rabekoto Raoul, izay nandositra tany Mayotte ny volana febroary lasa teo.
Ny iray amin` izy ireo dia vinanto lahy ary teo amin’ity nosy voalaza teo ity koa, raha ny fanazavan’ny mpisolovava no voambara ho nahitan’io vinanton’io ity filohan’ny FMF ity farany. Ny iray hafa dia mpampanofa fiarakodia nitondra azy. Ary ny roa ambiny dia voalaza fa nitondra ny sambo haingam-pandeha. Taorian` ny fihainoan` ny mpitsara an` ireo voapanga sy ny mpiaro azy dia nilaza ny mpitsara fa ny 24 martsa no hivoaka ny didy. Nilaza ho afa-po tamin` ny fandehan-draharaha ny Maitre Willy Razafinjatovo na Maitre Olala satria nalalaka, nadio ary tsy nisy fanelingelenana. Ireo olona nadinina rahateo aza afaka nanazava tsara izay zavatra nisy. Ekena fa ny vinanto dia zanaka akaiky kanefa voalaza amin` ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha 61, andalana faha 3, fa tsy azo enjehina ny zanaka na hatramin` ny ambaratonga faha-4 (4è degré). Ny vinanto rahateo dia mbola “1er degré”. Tsy azo atao izany na atao hoe “excuse absolutoire”, hoy ny Maitre Olala, raha nanampy ny rafozany ka nahafantatra fa efa nisy ny IST na tsia dia efa arovan` ny lalàna foana izy. Marihina fa tsy mbola niditra am-ponja izy ireo saingy notazomina tany Ambanja kosa fa voalaza fa “atteinte à la sureté de l`Etat » izany kanefa “complicité d`evasion” no niampangana azy. Midika izany fa kitotoa ny fanenjehana, hoy hatrany ny mpisolovava. Etsy ankilany, milaza tsy nahalala sy tsy nahita ny filohan`ny FMF ireo mpitondra vedety. Fangatahana ny fampitsaharana ny fanenjehana no nataon` ny fiarovana, raha ny fanazavan` ny Maitre Olala hatrany.
Marigny A. sy J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.