Politique

Arizaka Rabekoto Raoul Noroahina tsy ho mpitsara ihany koa


  • Alarobia 03 Novambra 2021

Mpitsara miisa 5 no nakarina filankevi-pifehezan’ny Fitsarana ny zoma lasa teo, ka ny 4 tamin’ireo no nosaziana. Nisy moa ny fivoriamben’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM) ny 27-28-29 oktobra lasa teo.

Mpitsara iray nampiatoana ny karamany tao anatin’ny 3 volana. Iray hafa nangataka alalana nandeha nianatra any ivelany, efa nihoatra 2 taona, efa tara ka nahazo fampiatoana karama 18 volana. Nahemotra amin’ny fotoana manaraka kosa ny an’ny mpitsara iray, ka voalaza fa tsy fahampian’ny fampanajana ny lalàna 15 andro nampiantsoana azy no antony. Natsahatra tsy ho mpitsara, ary nofoanana tanteraka kosa ny karaman’ny mpiasan’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) teo aloha sady Filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny Taranja baolina kitra (FMF) Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Isan’ny fanapahan-kevitra goavana noraisina io fandroahana ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raoul tsy ho mpitsara intsony io. Ny tenany izay tsiahivina fa nohelohin’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) hanao asan-terivozona 10 taona sy handoa onitra 500 tapitrisa Ariary ny 27 septambra noho ny raharaha ambara fa nisiana fanodinkodinam-bola tao amin’ny CNaPS. 5 taona sazy mihatra sy onitra 100 tapitrisa Ar kosa ho an’ny Praiminisitra teo aloha Jeneraly Jean Ravelonarivo, niara-voasaringotra tamin’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS. Izy ireo izay samy any ampitan-dranomasina amin’izao, ka nilazan’ny fitsarana, fa fifanarahana ara-diplomatika no ahafaha-manatanteraka ny didy fampisamborana iraisam-pirenena. Ankoatra ireo tsy fantatra, dia mpitsara roa malaza izany izao no noroahina tamin’ny asany, ary mbola arahina didy fampisamborana iraisam-pirenena tao anatin’ity Fitondrana Rajoelina ity, dia Rtoa Fanirisoa Ernaivo sy Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Izy mianadahy ireo izay mialokaloka ara-politika any am-pitandranomasina amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT